Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 10:15 - Baiboly Katolika

Rakotra azy ny tany rehetra, maizina ny tany azon’ireny. Levona avokoa ny ahitra tamin’ny tany, mbamin’ny voan’ny hazo, izay sisan-kavandra rehetra; tsy nisy niangana ny zava-maitso tamin’ny hazo sy tamin’ny ahitra any an-tsaha eran’ny tany Ejipta tontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny ka tonga maizina ny tany; nohaniny ny anana rehetra teo amin’ny tany sy ny voankazo rehetra izay sisan’ny havandra ka tsy nisy sisa ny zava-maitso manerana ny tany Ejipta manontolo, na tamin’ny hazo na tamin’ny anana tany an-tsaha.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin’ny valala ny ahitra rehetra tamin’ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an’i Ejipta manontolo na tamin’ny hazo na tamin’ny zava-maniry eny an-tsaha.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin’ny valala ny ahitra rehetra tamin’ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an’i Ejipta manontolo na tamin’ny hazo na tamin’ny zava-maniry eny an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin’ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan’ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran’ny tany Egypta rehetra, na tamin’ny hazo, na tamin’ny anana tany an-tsaha.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta rehetra, na tamin'ny hazo, na tamin'ny anana tany an-tsaha.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny ka tonga maizina ny tany; nohaniny ny anana rehetra teo amin’ny tany sy ny voankazo rehetra izay sisan’ny havandra ka tsy nisy sisa ny zava-maitso manerana ny tany Ejipta manontolo, na tamin’ny hazo na tamin’ny anana tany an-tsaha.

Jereo ny toko



Eksodosy 10:15
11 Rohy Ifampitohizana  

Natolony ho an’ny valala ny vokatry ny taniny, dia ho an’ireny andiany maro be, ny vokatry ny asany.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ahinjiro eo ambonin’ny tany Ejipta ny tananao ny amin’ny valala; aoka hiakarany ny tany Ejipta; aoka handevona ny ahitra rehetra amin’ny tany izy, izay sisan-kavandra rehetra.»


Ho rakotra azy ny tany, tsy ho hita hirangirana ny tany; holevoniny avokoa ny sisa tsy voa izay navelan’ny havandra ho anareo; hohaniny daholo ny hazo maniry eny an-tsaha,


Ny valala, tsy mana-mpanjaka, nefa miainga, manao antokony avokoa izy ireo;


Ny sisan’ny Gazàna nohanin’ny valala; ny sisan’ny valala nohanin’ny ieleka ny sisan’ny ieleka nohanin’ny kasila.


Honerako aminareo ny taona nolevonin’ny valala sy ny ieleka ary ny kasila sy ny gazàna, izay tafiko lehibe efa nalefako hamely anareo.


Nony tapitra lanin’ireny avokoa ny ahitra amin’ny tany, dia hoy aho: «Ry Tompo Iaveh ô, mba mamelà heloka! Ahoana no haharetan’i Jakôba? fa kely izy.»


Ka naniraka olona izy ho any amin’i Balaama, zanak’i Beôra, any Petôra, izay eo amoron’ny ony, eo amin’ny tanin’ny zanaky ny vahoakany, mba hiantso azy sy hanao aminy hoe: «Indro misy vahoaka nivoaka avy any Ejipta, rakotra azy ny tany, ary tandrify ahy no itobiany.