Misy mpiavonavona, mamoron-dainga hamelezena ahy; izaho kosa, mitandrina ny didinao amin’ny foko rehetra.
Eksodosy 10:11 - Baiboly Katolika Tsia, ianareo lehilahy no mandehana ka manompoa an’i Iaveh, fa izany ihany no angatahinareo.» Dia noroahina hiala teo anatrehan’i Faraôna izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy ho araka izany anefa, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa NY TOMPO fa izany no tadiavinareo. Ary noroahina hiala teo anatrehan’i Farao izy roa lahy. DIEM PROTESTANTA Tsy raikitra izany. Ianareo lehilahy no aoka handeha hanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO, fa izay ihany no tadiavinareo. Dia noroahina hiala teo anatrehan’ny Farao izy roa lahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy raikitra izany. Ianareo lehilahy no aoka handeha hanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO, fa izay ihany no tadiavinareo. Dia noroahina hiala teo anatrehan’ny Farao izy roa lahy. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy izany, fa mandehana hianareo lehilahy lehibe ka manompoa an’i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan’i Farao. Malagasy Bible Tsy izany, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa an'i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan'i Farao. La Bible en Malgache Tsy ho araka izany anefa, fa mandehana ianareo lehilahy lehibe ka manompoa NY TOMPO fa izany no tadiavinareo. Ary noroahina hiala teo anatrehan’i Farao izy roa lahy. |
Misy mpiavonavona, mamoron-dainga hamelezena ahy; izaho kosa, mitandrina ny didinao amin’ny foko rehetra.
Fa hoy i Faraôna tamin’izy ireo: «Homba anareo anie i Iaveh, araka ny hamelako anareo handeha, dia ianareo sy ny zanakareo. Tandremo fa manan-kevi-dratsy ianareo!
Fa hoy i Faraôna tamin’i Môizy: «Mialà amiko eto. Ary tandremo fandrao mitranga atỳ anatrehako atỳ intsony, fa izay andro hitranganao atỳ anatrehako dia ho faty ianao.»
Fa hoy ny mpanjakan’i Ejipta tamin’izy ireo: «Nahoana ianareo, ry Môizy sy Aarôna, no mandrebireby ny vahoaka tsy hanao ny asany? Mandehana mankany amin’ny fanompoanareo.»