Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 1:19 - Baiboly Katolika

Fa hoy ny navalin’ny mpampivelona tamin’i Faraôna: «Tsy mba tahaka ny Ejiptianina anie ny vehivavy Hebrio: matanjaka izy ka mbola tsy tonga akory ny mpampivelona dia efa teraka izy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa hoy ireo mpampivelona tamin’i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptiana ny vehivavy hebreo fa matanjaka be izy, koa raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona dia efa teraka sahady izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa namaly ireo mpampivelona hoe: –Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa namaly ireo mpampivelona hoe: –Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy ny mpampivelona tamin’i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa hoy ireo mpampivelona tamin’i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptiana ny vehivavy hebreo fa matanjaka be izy, koa raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona dia efa teraka sahady izy.

Jereo ny toko



Eksodosy 1:19
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia nampiantsoin’ny mpanjakan’i Ejipta ny mpampivelona ka nataony hoe: «Nahoana ianareo no nanao toy izany ka navelanareo ho velona ny zazalahy?»


Koa ny mpampivelona nasian’Andriamanitra soa, ary ny vahoaka nihamaro sy nihanahery fatratra.


Lasa nankany Nobe amin’i Akimeleka mpisorona i Davida ka taitra mafy i Akimeleka nitsena an’i Davida nanao taminy hoe: «Nahoana ity ianao no honjohonjonao irery, fa tsy misy miaraka aminao?»