Ho tsaroanareo, rehefa mby any, ny lalanareo mbamin’ny heloka rehetra nandotoanareo tena, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny ratsy rehetra vitanareo.
Apokalipsy 3:3 - Baiboly Katolika Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao dia ho avy toy ny mpangalatra Aho ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao. DIEM PROTESTANTA Koa tsarovy izay fomba nandraisanao sy nihainoanao ny tenin’Andriamanitra ary dia tano izany ka ialao ny toe-dratsinao. Raha tsy miambina ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa tsarovy izay fomba nandraisanao sy nihainoanao ny tenin’Andriamanitra ary dia tano izany ka ialao ny toe-dratsinao. Raha tsy miambina ianao, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao. Baiboly Protestanta Malagasy Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. Malagasy Bible Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. La Bible en Malgache Dia tsarovy ny amin’ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao dia ho avy toy ny mpangalatra Aho ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao. |
Ho tsaroanareo, rehefa mby any, ny lalanareo mbamin’ny heloka rehetra nandotoanareo tena, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny ratsy rehetra vitanareo.
Hahatsiaro ny lalan-dratsinareo ianareo mbamin’ny asa tsy mety nataonareo, ka haharikoriko anareo ny tenanareo, noho ny hadisoanareo amam-pahavetavetanareo.
satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny lahateny foana tsy mahasoa, mbamin’ny fanoheran-kevitra avy amin’ny fahaizana mpisandoka anarana,
Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesoa ny mariky ny fampianarana marina renao tamiko.
Noho izany, tsy maintsy mikely aina hitandrina tsaratsara kokoa izay efa rentsika isika, fandrao dia voatarika hiala amin’izany.
Ataoko fa raha mbola amin’ity tranolay ity koa aho, dia adidiko ny mamoha anareo amin’ny fananarana,
Ry malala, ity no fanindroan’ny epistôla nosoratako ho anareo; ary izy roa dia samy entiko mampifoha ny sainareo mahitsy hitadidy tsara,
Ho avy toy ny mpangalatra ny Andron’ny Tompo, ary amin’izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon’ny afo, ny tany mbamin’ny asa rehetra eo aminy hodorana.
Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. -
Koa tsarovinao izay nihemoranao dia mibebaha, ka miverena amin’ny asanao voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho, ka hanesotra ny fanaovan-jironao amin’ny fitoerany raha tsy mibebaka ianao.
Indro, avy faingana Aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity.»
Indro, avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
Miambena, ary hamafiso ny sisa efa ho faty. Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan’Andriamanitra ny asanao.