Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Apokalipsy 1:3 - Baiboly Katolika

Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny! Fa antomotra ny andro.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Sambatra izay mamaky sy ireo mihaino ny tenin’ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoanandro hahatanterahan’ireo zavatra ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Sambatra izay mamaky sy ireo mihaino ny tenin’ity faminaniana ity, ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoanandro hahatanterahan’ireo zavatra ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Sambatra izay mamaky sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny! Fa antomotra ny andro.

Jereo ny toko



Apokalipsy 1:3
15 Rohy Ifampitohizana  

Sambatra ny olona mihaino ahy, sy miari-tory isan’andro eo am-baravarako, ary miandry eo amin’ny tolàm-baravarako!


Ary hoy i Jeremia tamin’i Saraiasa: Rehefa tonga any Babilôna ianao dia tandremo ny mba hamaky ireo teny ireo, dia ataovy hoe:


Rehefa hitanareo voatsangana amin’ny fitoerana masina ny fametavetana lozan-tany nolazain’i Daniela mpaminany (aoka hihevitra ny mpamaky),


«Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.»


Ary amin’izao indrindra no ilàna izany, satria fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao, fa ankehitriny akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino.


Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava.


Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.


Izao zavatra iray loha izao anefa no aoka ho fantatrareo, ry malala: amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona, ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.


Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombokase ny teny faminaniana amin’ity boky ity, fa efa antomotra ny fotoana.


Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy.


Izao no lazain’ilay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana aho. Amen! Avia, ry Jesoa Tompo!


Indro, avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.