2Makabeo 12:35 - Baiboly Katolika Nisy lehilahy mahery anankiray atao hoe Dôsiteo mpitaingin-tsoavaly tamin’ny antokon’i Basenoro nisambotra an’i Gôrjiasa, dia nitarika azy tamin’ny kapaotiny sy nifaoka azy mafy, fa ny hahazo sambo-belona an’io olona voaozona io no niriny: kanjo niantoraka tamin’i Dôsiteo ity mpitaingin-tsoavaly Trasa anankiray, dia nanapaka ny sorony, ka afa-nandositra tany Maresà i Gôrjiasa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanjo nisambotra an’i Gorjià ity lehilahy mahery atao hoe Dôsiteo mpitaingin-tsoavaly tao amin’ny andian-tafik’i Bakenôro; ny lamba saron-tsorok’i Gorjià no nisamborany azy sy nitarihany an-keriny, fa ny hahazo sambo-belona an’ilay olom-boaozona io no niriny. Saingy niantoraka tamin’i Dôsiteo ity mpitaingin-tsoavaly trasianina anankiray, ka nanapa-tsandry azy; hany ka afa-nandositra tany Masesà i Gôrjià. |