2Timoty 4:16 - Baiboly Katolika Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan’izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa izy rehetra. Mba tsy hisaina ho helony anie izany! DIEM PROTESTANTA Fony aho nandaha-teny hiarovako tena tamin’ny voalohany, dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa ny olona. Tsy hotanan’Andriamanitra ho hadisoany anie izany! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fony aho nandaha-teny hiarovako tena tamin’ny voalohany, dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa ny olona. Tsy hotanan’Andriamanitra ho hadisoany anie izany! Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany). Malagasy Bible Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany). La Bible en Malgache Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa izy rehetra. Mba tsy hisaina ho helony anie izany! |
Raha entina ho any amin’ny sinagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana ianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo,
Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy, sy handaozanareo Ahy ho irery; nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray.
«Ry rahalahy sy ianareo ray, henoy ny teny alahatro aminareo ankehitriny, mba hanala tsiny ny tenako.»
Fa hoy ny navaliko azy ireo: ‹Tsy fanaon’ny Rômanina ny manameloka olona raha tsy efa nifanatrika tamin’ny mpiampanga azy ny ampangaina, ka nahazo nanala tsiny ny tenany amin’izay iampangana azy.
tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo;
Ary akory izato vokatr’izany alahelonareo araka an’Andriamanitra izany! Fa he izato fahazotoana tongany aminareo! endrey izany fanamarinana ny tenanareo! Eny, fahatezerana re izany! tahotra re izany! faniriana re izany! zotom-po re izany! famaizana re izany! Fatratra mihitsy ny nampisehoanareo fa nadio ianareo ny amin’izany raharaha izany!
fa ny an’irerỳ kosa dia tsy fo mahitsy no itoriany an’i Kristy, fa an-kasomparana kendreny hanampy fahoriana ny fifatorako.
Ary rariny ny iheverako anareo rehetra toy izany, satria efa mby ato am-poko ianareo rehetra, noho ianareo rehetra mpiombona ny fahasoavana ananako, na amin’ny fifatorako, na amin’ny fampandreseko lahatra sy fanamafisako orina ny Evanjely.
Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Asia, isan’ireny i Figèlo sy i Hermôgena.
I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.