Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Timoty 1:15 - Baiboly Katolika

Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Asia, isan’ireny i Figèlo sy i Hermôgena.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Azia; isan’ireny i Figelo sy i Hermogena.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Azia, ka isan’ireny ry i Figelo sy i Hermozena.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Azia, ka isan’ireny ry i Figelo sy i Hermozena.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan’ireny Fygelo sy Hermogena.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Asia; isan'ireny Fygelo sy Hermogena.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fantatrao fa efa nahafoy ahy izay rehetra any Azia; isan’ireny i Figelo sy i Hermogena.

Jereo ny toko



2Timoty 1:15
10 Rohy Ifampitohizana  

Nony avy nitety an’i Frijia sy i Galatia izy ireo, dia noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin’Andriamanitra any Azia.


Roa taona no nanaovany an’izany, ka nandre ny tenin’ny Tompo avokoa izay rehetra nonina tany Azia, na Jody na Jentily.


ka tsy ny taozavatsika ihany no atahorana hatao zava-poana, fa na hatramin’ny tempolin’i Diàna lehibe koa aza ho tonga tsinontsinona, ka ho levona ny voninahitr’izay ivavahan’i Azia manontolo sy izao tontolo izao.»


sady naniraka olona koa ny lehibe sasany sakaizany nihanta taminy mba tsy hankany an-trano filalaovana.


dia ny Parta, ny Meda, ny Elamita, sy ny mponina any Mesôpôtamia, Jodea, Kapadôsa, Pônto, Azia,


Ny handalo fotsiny fa tsy hijanona ao Efezy no efa nokendren’i Paoly mba tsy hitoerany ela any Azia: satria maika hamonjy ny andron’ny Pantekôty any Jerosalema izy raha azo atao.


Manao veloma anareo ny Eglizy rehetra atỳ Azia; manao veloma anareo indrindra ao amin’ny Tompo i Akilasy sy i Prisila mbamin’ny Eglizy izay ao an-tranony.


Ny rehetra dia samy miahy ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy;


Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan’izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany!