Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Petera 2:7 - Baiboly Katolika

ary matoa Izy namonjy an’i Lôta olo-marina, izay nijaly noho ny haratsiam-pitondràn-tenan-dry zareo tsy misoro-doza,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa i Lota, lehilahy marina kosa izay ory dia ory noho ny fanaranam-pon’ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nafahan’Andriamanitra kosa i Lôta, izay tia ny rariny ka ory dia ory noho ny fitondrantena ratsy nasehon’ny olona tsy miraharaha lalàna;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nafahan’Andriamanitra kosa i Lôta, izay tia ny rariny ka ory dia ory noho ny fitondrantena ratsy nasehon’ny olona tsy miraharaha lalàna;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan’ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka (

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fa Lota marina, izay ory dia ory noho ny fijejojejoan'ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa i Lota, lehilahy marina kosa izay ory dia ory noho ny fanaranam-pon’ny olona ratsy fanahy, no novonjeny ho afaka,

Jereo ny toko



2Petera 2:7
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny mponina tany Sôdôma dia olon-dratsy sy mpanota indrindra tamin’i Iaveh.


Mbola nitaredretra anefa izy, dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, fa tian’i Iaveh ny hiaro azy, dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna.


Fa mandehana faingana àry mandositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao ianao.» Izany no nanaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.


Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka, ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.


Niantso an’i Lôta izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aiza ireo lehilahy niditra tato aminao izao alina izao? Avoahy ho aty aminay ireo hahalalanay azy.»


Endrey, ity manjò ahy mitoetra eto amin’i Meseka, sy monina atỳ an-dain’i Sedara!


Ho an’ireo mpaminany: Ny foko torotoro ato anatiko; ny taolako rehetra mipararetra; izaho hoatra ny olona mamo hoatra ny olona leon-divay, eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny teniny masina.


Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.


Teny manodòka sy tsy misy heviny no itarihany an’izay vao nandao ny olon-dratsy hevitra, hanaraka ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fahalotoana.


Maro no hanaraka ny fitondran-tena ratsiny, ka avy amin’izy ireo no mety ho voatsiny ny fampianarana ny marina.


Izao àry, ry malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo ianareo, koa mitandrema sao voatariky ny hevi-dison’ny ratsy fanahy, ka hiala amin’izay niorenanareo.


Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko aminareo, dia olona voasoratra hatry ny ela fa hanamelo-tena amin’izany, olona ratsy fanahy, mamadika ny fahasoavan’Andriamanitra ho fahalotoana, sady mandà an’i Jesoa Kristy, Andrian-tokana sy Tompontsika.