Irahin’ny lehibe haka rano ny madinika, dia mankany amin’ny lavaka famorian-drano ireo, fa tsy mahita rano; ka miverina mitondra siny foana; menatra sy mangaihay, ary misaron-doha foana.
2Petera 2:17 - Baiboly Katolika Fantsakana ri-drano izy ireo, ary rahona avoivoin’ny tadio, ka haizina mainty be no miandry azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireny dia loharano ritra, zavona entin’ny tafio-drivotra, ka tahirizina ho azy ny haizina mikitroka. DIEM PROTESTANTA Ireo mpampianatra sandoka ireo dia loharano ritra, zavona avoivoin’ny tafio-drivotra, ka ny haizim-pito no voatahiry ho azy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo mpampianatra sandoka ireo dia loharano ritra, zavona avoivoin’ny tafio-drivotra, ka ny haizim-pito no voatahiry ho azy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo dia loharano ritra, zavona entin’ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan’ny maizina. Malagasy Bible Ireo efa loharano ritra, zavona entin'ny tafio-drivotra, ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan'ny maizina. La Bible en Malgache Ireny dia loharano ritra, zavona entin’ny tafio-drivotra, ka tahirizina ho azy ny haizina mikitroka. |
Irahin’ny lehibe haka rano ny madinika, dia mankany amin’ny lavaka famorian-drano ireo, fa tsy mahita rano; ka miverina mitondra siny foana; menatra sy mangaihay, ary misaron-doha foana.
Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Inona no hataoko aminao, ry Jodà? Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina, tahaka ny ando amin’ny maraina ka levona vetivety.
ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: ‹Afatory ny tongotra aman-tanany, ka ario any amin’ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify›.
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.› »
fa ny zanaky ny fanjakana kosa dia hariana any amin’ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»
dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso;
Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra,
Fa matoa tsy namindra fo tamin’ny Anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itanany azy ho amin’ny fitsarana;
Ary ny Anjely tsy nahatana ny fiamboniany fa nitsoa-ponenana, dia tanany am-patorana mandrakizay ao anatin’ny haizina, sy tahiriziny ho amin’ny andro fitsarana lehibe.