2Jaona 1:6 - Baiboly Katolika Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny, araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin’ny fitiavana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary izao no fitiavana dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ny taloha ihany dia ny handehananareo aminy. DIEM PROTESTANTA Ary izao no fitiavana, dia ny hiainantsika araka ireo didin’Andriamanitra. Ny didy, araka ny efa renareo hatramin’ny voalohany, dia ny hiainanareo amin’ny fitiavana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary izao no fitiavana, dia ny hiainantsika araka ireo didin’Andriamanitra. Ny didy, araka ny efa renareo hatramin’ny voalohany, dia ny hiainanareo amin’ny fitiavana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy. Malagasy Bible Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy. La Bible en Malgache Ary izao no fitiavana dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ny taloha ihany dia ny handehananareo aminy. |
Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.»
Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
I Iaveh Andriamanitrareo no araho, Izy no atahory; tandremo ny didiny, ekeo ny feony; manompoa Azy, ary mifikira aminy.
Koa aoka hitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany. Fa raha mitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany, dia mitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo.
Fa izay mitandrina ny didiny no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa; ary amin’izany no ahafantarana fa ao aminy isika.
Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy efa ela, izay efa azonareo hatramin’ny voalohany; ary izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo teo.
Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny,
Ary ankehitriny mihanta aminao aho, Tompokovavy, - tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany - aoka hifankatia isika.