Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 8:7 - Baiboly Katolika

Ny vahoaka rehetra sisa tavela, tamin’ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jebôseanina izay tsy isan’i Israely,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny olona sisa rehetra tamin’ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Israely,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mbola nisy sisa tavela teo amin’ny tany ireo antokon’olona isan-karazany, dia ny Hetita sy Amôrita mbamin’ny Perizita sy Hivita ary Jebosita, izay samy tsy anisan’ny Israelita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mbola nisy sisa tavela teo amin’ny tany ireo antokon’olona isan-karazany, dia ny Hetita sy Amôrita mbamin’ny Perizita sy Hivita ary Jebosita, izay samy tsy anisan’ny Israelita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny amin’ny olona sisa rehetra tamin’ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Isiraely,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny amin'ny olona sisa rehetra tamin'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Isiraely

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny olona sisa rehetra tamin’ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Israely,

Jereo ny toko



2Tantara 8:7
7 Rohy Ifampitohizana  

Nifanditra ny mpiandry ondrin’i Abrama sy ny mpiandry ondrin’i Lôta. Ny Kananeanina sy ny Ferezeanina no nitoetra tamin’ny tany tamin’izay.


Ary nisain’i Salômôna araka ny nanisan’i Davida rainy azy, ny lehilahy hafa firenena rehetra teo amin’ny tanin’i Israely: dia nisy 153.600 ny isany.


I Baalata mbamin’ny tanàna fitahirizana rehetra izay an’i Salômôna, ny tanàna rehetra ho an’ny kalesy, ny tanàna ho an’ny mpitaingin-tsoavaly, mbamin’izay rehetra tian’i Salômôna naorina tany Jerosalema sy tany Libàna ary tany amin’ny tany rehetra nanapahany.


Nony vita izany rehetra izany, nanatona ahy ny lehibe, ka nanao hoe: «Tsy tafasaraka tamin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny vahoaka Israely mbamin’ny mpisorona sy ny Levita fa manaraka ny fahavetavetany, ny an’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferzeanina, ny Jebôseanina, ny Amônita, ny Moabita, ny Ejiptianina, ary ny Amôreana;


«Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh Andriamanitrao anao any amin’ny tany halehanao hakana azy ho fanananao, ary firenena maro no efa voaroakany eo anoloanao, ny Heteanina, ny Gergeseanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina, ny firenena fito, maro isa sady mahery noho ianao,