Ny elatr’ireo kerobima nivelatra tambonin’ny fitoeran’ny fiara dia nanaloka ny fiara mbamin’ny baony teo amboniny.
2Tantara 5:9 - Baiboly Katolika Lava be ny bao, ka hita ny lohany, raha eo anoloan’ny fitoerana masina lavidavitry ny fiara, fa raha any ivelany no tsy tazana izy. Dia tao mandrak’androany ny fiara. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary lava ny bao ka hita ny lohany, raha eo amin’ny vata misy ny Fanekena eo anoloan’ny efitra anatiny, nefa tsy hita avy eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany ireo. DIEM PROTESTANTA Lava ihany ireto bao ireto, ka mety hita ny lohany, raha tazanina avy eo amin’ny Toeramasina manoloana ny efitra anatiny, saingy tsy hita kosa avy any ivelany; ary mbola ao mandraka androany ireo bao ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lava ihany ireto bao ireto, ka mety hita ny lohany, raha tazanina avy eo amin’ny Toeramasina manoloana ny efitra anatiny, saingy tsy hita kosa avy any ivelany; ary mbola ao mandraka androany ireo bao ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin’ny fiara eo anoloan’ny efitra anatiny, nefa tsy hita eny ivelany; ary mbola ao mandraka andro-any izy. Malagasy Bible Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin'ny fiara eo anoloan'ny efitra matiny nefa tsy hita eny ivelany, ary mbola ao mandraka androany izy. La Bible en Malgache Ary lava ny bao ka hita ny lohany, raha eo amin’ny vata misy ny Fanekena eo anoloan’ny efitra anatiny, nefa tsy hita avy eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany ireo. |
Ny elatr’ireo kerobima nivelatra tambonin’ny fitoeran’ny fiara dia nanaloka ny fiara mbamin’ny baony teo amboniny.