Dia nentin’ny mpisorona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, ho ao amin’ny fitoerany, ao amin’ny fitoerana masin’ny trano, amin’ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima.
2Tantara 5:8 - Baiboly Katolika Ny elatr’ireo kerobima nivelatra tambonin’ny fitoeran’ny fiara dia nanaloka ny fiara mbamin’ny baony teo amboniny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa nivelatra teo ambonin’ny toeran’ny vata misy ny Fanekena ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny vata misy ny Fanekena sy ny baony. DIEM PROTESTANTA fa nivelatra tambonin’ny toeran’ny Vatamasina ny elatr’ireo kerobima ka nanarona ny Vatamasina sy ny bao filanjana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa nivelatra tambonin’ny toeran’ny Vatamasina ny elatr’ireo kerobima ka nanarona ny Vatamasina sy ny bao filanjana azy. Baiboly Protestanta Malagasy fa nivelatra tambonin’ny fitoeran’ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony. Malagasy Bible fa nivelatra tambonin'ny fitoeran'ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony. La Bible en Malgache fa nivelatra teo ambonin’ny toeran’ny vata misy ny Fanekena ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny vata misy ny Fanekena sy ny baony. |
Dia nentin’ny mpisorona ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, ho ao amin’ny fitoerany, ao amin’ny fitoerana masin’ny trano, amin’ny fitoerana masina indrindra, teo ambanin’ny elatry ny kerobima.
Lava be ny bao, ka hita ny lohany, raha eo anoloan’ny fitoerana masina lavidavitry ny fiara, fa raha any ivelany no tsy tazana izy. Dia tao mandrak’androany ny fiara.
ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin’io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin’izay; izay vao hapetany eo ny baony.