Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh, tahaka ny nataon’i Manase rainy izy, nanao sorona tamin’ny sarin-javatra rehetra nataon-drainy, i Amôna, ary nanompo an’ireny.
2Tantara 34:11 - Baiboly Katolika Dia nomeny ny mpandrafitra hazo sy ny mpandrafitra vato izany, ary nividianany vato voapaika sy hazo handrafetana ny tafo ary hanisiana sakamandimby hatao amin’ny trano nosimban’ny mpanjakan’i Jodà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia nomeny ho an’ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby ary lampihazo ho amin’ny trano izay nosimban’ny mpanjakan’ny Joda. DIEM PROTESTANTA dia nanomezany karama ny mpandrafitra sy mpandatsa-bato izany sy nividianany vato voapaika na hazo sakamandimby sady nanatevenana ny efitrano izay navelan’ireo mpanjakan’i Joda hihasimba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nanomezany karama ny mpandrafitra sy mpandatsa-bato izany sy nividianany vato voapaika na hazo sakamandimby sady nanatevenana ny efitrano izay navelan’ireo mpanjakan’i Joda hihasimba. Baiboly Protestanta Malagasy dia nomeny ho an’ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin’ny trano izay nosimban’ny mpanjakan’ny Joda. Malagasy Bible dia nomeny ho an'ny mpandrafitra sy ry mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin'ny trano izay nosimban'ny mpanjakan'ny Joda. La Bible en Malgache dia nomeny ho an’ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby ary lampihazo ho amin’ny trano izay nosimban’ny mpanjakan’ny Joda. |
Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh, tahaka ny nataon’i Manase rainy izy, nanao sorona tamin’ny sarin-javatra rehetra nataon-drainy, i Amôna, ary nanompo an’ireny.
Napetrany izany teo an-tanan’ireo mpampanao ny asa, izay notendrena ho mpitandrina amin’ny tranon’i Iaveh; dia ireto kosa indray no nizara azy tamin’ny mpiasa, izay niasa tamin’ny tranon’i Iaveh, hamboatra sy hanamafy ny trano.