Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 30:5 - Baiboly Katolika

Dia nanapa-kevitra ny handefa teny amin’i Israely rehetra, hatrany Bersabea ka hatrany Dana izy ireo, mba samy ho tonga ao Jerosalema ny olona, hanao ny Paka ho fankalazana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, fa efa tsy nankalazain’izy ireo mitamba-be intsony, araka ny voasoratra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia nanome didy izy handefa teny manerana ny Israely rehetra hatrany Bery-Sheba ka hatrany Dana mba hankanesan’ny olona hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro dia tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nandidy handefa teny eran’ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan’ny olona hitandrina ny Paska ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nandidy handefa teny eran'ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan'ny olona hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia nanome didy izy handefa teny manerana ny Israely rehetra hatrany Bery-Sheba ka hatrany Dana mba hankanesan’ny olona hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro dia tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra.

Jereo ny toko



2Tantara 30:5
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.


Ary naely eran’i Jodà sy i Jerosalema fa isan’olona dia tsy maintsy mitondra ho an’i Iaveh ny hetra nodidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh haloan’i Israely, tany an’efitra.


Noheverin’ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra ho mety tokoa izany.


Tsy mbola nisy Paka nankalazaina toy izany teo amin’i Israely, hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany; ary tsy mbola nisy mpanjakan’i Israely nahavita Paka torak’izay nataon’i Josiasa mbamin’ny mpisorona, ny Levita, i Jodà rehetra, sy i Israely rehetra izay teo, ary ny mponina tao Jerosalema.


Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa, dia namporisihin’i Iaveh, ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa, mba hahatanteraka ny tenin’i Iaveh tamin’ny vavan’i Jeremia, ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Ireto no fety lehibe ho an’i Iaveh izay hantsoinareo mba ho fivoriana masina; fetiko lehibe izany.»


Ireto no fetin’i Iaveh, ny fivoriana masina izay hantsoinareo amin’ny fotoany avy:


Midera anareo aho, fa sady mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo no mitana tsara ny fampianarako, araka ny nanomezako azy anareo.


Tovy sy araho izay rehetra andidiako anareo, fa aza ampiana, aza anesorana.


Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.