Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 3:3 - Baiboly Katolika

Toy izao no fototra nanorenan’i Salômôna ny tranon’Andriamanitra; Enimpolo hakiho, araka ny hakiho fandrefesana taloha ny lavany; ary roapolo hakiho ny sakany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Toy izao no nanorenan’i Solomona ny tranon’Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enimpolo hakiho, ary ny sakany dia roapolo hakiho.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Toy izao no refy naraikitr’i Salômôna hanorenana ny tranon’Andriamanitra: ny lavany araka ny nandrefesana azy dia telopolo metatra, ny haavony dia 15 metatra ary ny sakany folo metatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toy izao no refy naraikitr’i Salômôna hanorenana ny tranon’Andriamanitra: ny lavany araka ny nandrefesana azy dia telopolo metatra, ny haavony dia 15 metatra ary ny sakany folo metatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary toy izao no nanorenan’i Solomona ny tranon’Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Toy izao no nanorenan’i Solomona ny tranon’Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho* taloha, dia enimpolo hakiho, ary ny sakany dia roapolo hakiho.

Jereo ny toko



2Tantara 3:3
5 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faha-480, taorian’ny nivoahan’ny zanak’i Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Salômôna tamin’i Israely, tamin’ny volana ziva, izay volana faharoa, no nanorina ny tranon’i Iaveh izy.


Tamin’ny andro faharoan’ny volana faharoa, taona fahefatra nanjakany, no nanombohany hanao izany.


Folo hakiho ny sakan’ny varavarana; dimy hakiho ny ati-rindrim-baravarana ankilany, dimy hakiho koa ny ankilany iray. Norefesiny ny halavan’ny tempoly, ka efapolo hakiho; ary ny sakany roapolo hakiho.