ny elatra anankiray amin’ny kerobima faharoa dimy hakiho, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, mifanendry amin’ny elatry ny kerobima anankiray.
2Tantara 3:13 - Baiboly Katolika Dia roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo, mivelatra. Nijoro tamin’ny tongony izy, ary manatrika ny trano ny tarehiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nivelatra ny elatr’ireo kerobima ireo ka roapolo hakiho ny halavany; nijoro tamin’ny tongony izy ary nanatrika ny trano ny tarehiny. Baiboly Protestanta Malagasy Nivelatra ny elatr’ireo kerobima ireo, ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin’ny tongony izy, ary ny tarehiny nanatrika ny trano. Malagasy Bible Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano. La Bible en Malgache Nivelatra ny elatr’ireo kerobima ireo ka roapolo hakiho ny halavany; nijoro tamin’ny tongony izy ary nanatrika ny trano ny tarehiny. |
ny elatra anankiray amin’ny kerobima faharoa dimy hakiho, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, mifanendry amin’ny elatry ny kerobima anankiray.
Jaky volomparasy, jaky mena, lamba mena antitra ary rongony madinika no nataony salobona, ka nasiany kerobima vita amborodara.
Hatao mivelatra miaraka ny elatry ny kerobima, hanarona ny fanaovam-panavotana amin’ny elany, ary hifanatrika ny tavany, hitodika manatrika ny fanaovam-panavotana, ny tavan’ny kerobima.