Nanorina an’i Elata indray izy, sy namerina azy ho amin’i Jodà indray, nony efa nody mandry any amin’ny razany ny mpanjaka.
2Tantara 26:3 - Baiboly Katolika Ary 16 taona i Oziasa fony vao nanjaka, ary 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jekelià, avy ao Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Enina amby folo taona i Ozia raha nanomboka nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. DIEM PROTESTANTA Feno 16 taona i Hozià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jekôlià izay avy ao Jerosalema ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Feno 16 taona i Hozià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jekôlià izay avy ao Jerosalema ihany. Baiboly Protestanta Malagasy Enina ambin’ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. Malagasy Bible Enina ambin'ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. La Bible en Malgache Enina amby folo taona i Ozia raha nanomboka nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. |
Nanorina an’i Elata indray izy, sy namerina azy ho amin’i Jodà indray, nony efa nody mandry any amin’ny razany ny mpanjaka.
Fahitan’i Izaia, zanak’i Amôsa, momba an’i Jodà sy i Jerosalema, izay hitany tamin’ny andron’i Oziasa, i Joatama, i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.
Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjo.
Tenin’i Iaveh, tonga tamin’i Osea, zanak’i Beeri, tamin’ny andron’i Oziasa sy i Joatama sy i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely.
Tenin’i Amôsy, isan’ireo mpiandry ondry tao Tekôe. Izay hitany momba an’i Israely, tamin’ny andron’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, sy tamin’ny andron’i Jerôbôama, zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Israely, roa taona talohan’ny horohoron-tany. Hoy izy:
dia eo amin’ny lohasahan’ny tendrombohitro, no handosiranareo, fa hipaka hatrany Atsala ny lohasahan’ny tendrombohitro: toy ny nandosiranareo ny horohoron-tany, tamin’ny andron’i Osiasa, mpanjakan’i Jodà, no handosiranareo. Ary ho avy i Iaveh Andriamanitro, ary ny olo-masina rehetra hiaraka aminy.