2Tantara 26:17 - Baiboly Katolika Niditra avy ato aoriany kosa i Azariasa mpisorona, mbamin’ny valopolo lahy amin’ny mpisoron’i Iaveh, samy lehilahy mahery avokoa, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa niditra nanaraka azy kosa i Azaria mpisorona mbamin’ny valopolo lahy amin’ny mpisoron’NY TOMPO, dia lehilahy samy mahery avokoa. DIEM PROTESTANTA Fa mba niditra nanaraka azy kosa i Hazarià mpisorombe, niaraka tamin’ny mpisoron’ny TOMPO valopolo lahy izay samy mahery fo avokoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa mba niditra nanaraka azy kosa i Hazarià mpisorombe, niaraka tamin’ny mpisoron’ny TOMPO valopolo lahy izay samy mahery fo avokoa. Baiboly Protestanta Malagasy Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin’ny valo-polo lahy amin’ny mpisoron’i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa. Malagasy Bible Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin'ny valo-polo lahy amin'ny mpisoron'i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa. La Bible en Malgache Fa niditra nanaraka azy kosa i Azaria mpisorona mbamin’ny valopolo lahy amin’ny mpisoron’NY TOMPO, dia lehilahy samy mahery avokoa. |
I Semeiàsa zanany lahy niteraka zazalahy, izay samy tonga filohany tamin’ny fianakavian-drainy, fa lehilahy mahery fo izy ireo.
ka nanohitra an’i Oziasa mpanjaka, nanao hoe: «Tsy anjaranao, ry Oziasa, ny manolotra zava-manitra ho an’i Iaveh, fa anjaran’ny mpisorona taranak’i Aarôna izay voahosotra handoro zava-manitra. Mialà eo amin’ny fitoerana masina fa nanota ianao ka tsy voninahitra ho anao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitra izany.»