Nony tafaverina tany Jerosalema i Rôbôama, dia namory ny taranak’i Jodà sy i Benjamina, mpiady voafantina 180.000, hiady amin’i Israely hampody ny fanjakana amin-dRôbôama.
2Tantara 26:13 - Baiboly Katolika Ka ny miaramila nofehezin’ireo, dia 307.500, izay nahay niady tamin’ny hery lehibe tokoa, hanohana ny mpanjaka tsy ho voan’ny fahavalony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny miaramila fehezin’ireo dia dimanjato sy fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, ary nanampy ny mpanjaka niady tamin’ny fahavalony ireo. DIEM PROTESTANTA ary ny tafika matanjaka nofeheziny kosa dia antokony telonjato nisy vatan-dehilahy 7 500, izay nahery niady tokoa mba homba ny mpanjaka hamely ny fahavalony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary ny tafika matanjaka nofeheziny kosa dia antokony telonjato nisy vatan-dehilahy 7 500, izay nahery niady tokoa mba homba ny mpanjaka hamely ny fahavalony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny miaramila fehezin’ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin’ny fahavalony. Malagasy Bible Ary ny miaramila fehezin'ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin'ny fahavalony. La Bible en Malgache Ary ny miaramila fehezin’ireo dia dimanjato sy fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, ary nanampy ny mpanjaka niady tamin’ny fahavalony ireo. |
Nony tafaverina tany Jerosalema i Rôbôama, dia namory ny taranak’i Jodà sy i Benjamina, mpiady voafantina 180.000, hiady amin’i Israely hampody ny fanjakana amin-dRôbôama.
Nony nohamafisin’i Rôbôama ny fanjakany sy nahazo hery izy, dia nahafoy ny lalàn’i Iaveh izy mbamin’i Israely rehetra.
Ka i Abià no nanomboka ny ady, nitondra miaramila mpiady mahery, lehilahy voafantina, 400.000; fa lehilahy voafantina 800.000, mpiady mahery, kosa no nalahatr’i Jerôbôama hiady aminy.
Izao no tafika nananan’i Asà: 300.000 miaramila an-defona sy ampinga, tamin’i Jodà; 280.000, miaramila mpitana ampinga mpandefa tsipìka, tamin’i Benjamina. Lehilahy mahery avokoa ireo.
Fa nivoaka hiady tamin’ireo i Zarà, Etiôpianina, nitondra miaramila 1.000.000 sy kalesy 300, ka nandroso hatrany Maresà.
Novorin’i Amasiasa ny lehilahy amin’i Jodà dia samy nalaminy ara-pokom-pianakaviana avokoa, ny tomponarivo aman-tompon-jato amin’i Jodà sy i Benjamina rehetra, ary nisainy ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ka 300.000 no lehilahy voafantina hitany, samy azo alefa hiady sy mahatan-defona aman’ampinga.
Ny isan’ny loham-pianakaviana, izay samy mpiady mahery avokoa, dia 2.600 no tontaliny.
Izany miaramila rehetra izany, dia samy nahavononan’i Oziasa ampinga, lefona, satroka fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, ary antsamotady fandefasam-bato.