Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 24:5 - Baiboly Katolika

Ka namory ny mpisorona sy ny Levita izy dia nanao taminy hoe: «Mandehana ianareo any amin’ny tanànan’i Jodà, ka mamoria vola isan-taona amin’i Israely rehetra hamboarana ny tranon’Andriamanitrareo, ary ataovy faingana izany.» Nanao tsy rototra anefa ny Levita,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia namory ny mpisorona sy ny levita izy ka niteny tamin’ireo hoe: Mandehana ho any amin’ny tanànan’i Joda ka mamoria vola isan-taona amin’ny Israely rehetra hanamboarana ny tranon’Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa tsy nanafaingana izany ny levita.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia namory ny mpisorona mbamin’ny levita izy, ka nanao taminy hoe: «Mankanesa amin’ny tanànan’i Joda, ka mamoria vola amin’ny Israelita rehetra isan-taona mba hanamboarana ny tranon’ny Andriamanitrareo; ary aoka hohafainganinareo ny raharaha!» Kanjo navelan’ny levita hitarazoka izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia namory ny mpisorona mbamin’ny levita izy, ka nanao taminy hoe: «Mankanesa amin’ny tanànan’i Joda, ka mamoria vola amin’ny Israelita rehetra isan-taona mba hanamboarana ny tranon’ny Andriamanitrareo; ary aoka hohafainganinareo ny raharaha!» Kanjo navelan’ny levita hitarazoka izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin’ny tanànan’ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin’ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon’Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin'ny tanànan'ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin'ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia namory ny mpisorona sy ny levita* izy ka niteny tamin’ireo hoe: Mandehana ho any amin’ny tanànan’i Joda ka mamoria vola isan-taona amin’ny Israely rehetra hanamboarana ny tranon’Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa tsy nanafaingana izany ny levita.

Jereo ny toko



2Tantara 24:5
4 Rohy Ifampitohizana  

Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Azariasa, i Jahiela, i Zakariasa, i Azariasa, i Mikaela, ary i Safatiasa; zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà avokoa ireo.


Tamin’ny volana voalohany, amin’ny taona voalohany nanjakany, novohany ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia namboatra azy izy.