Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 23:2 - Baiboly Katolika

Niteny an’i Jodà ireo, namory ny Levita tany amin’ny tanànan’i Jodà rehetra mbamin’ny loham-pianakaviana amin’i Israely dia tonga tany Jerosalema izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nitety an’i Joda ireo ka namory ny levita avy tany amin’ny tanànan’ny Joda rehetra sy ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely dia tonga tany Jerosalema ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nitety an’i Joda ireo ka namory ny levita sy ny loham-pianakaviana israelita avy tany amin’ny tanàna jodeanina rehetra, dia niara-tonga tany Jerosalema ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nitety an’i Joda ireo ka namory ny levita sy ny loham-pianakaviana israelita avy tany amin’ny tanàna jodeanina rehetra, dia niara-tonga tany Jerosalema ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nitety an’i Joda ireo ka namory ny Levita avy tany amin’ny tanànan’ny Joda rehetra sy ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nitety an'i Joda Ireo ka namory ny Levita avy tany amin'ny tanànan'ny Joda rehetra sy ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Isiraely, dia tonga tany Jerosalema ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nitety an’i Joda ireo ka namory ny levita* avy tany amin’ny tanànan’ny Joda rehetra sy ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny Israely dia tonga tany Jerosalema ireo.

Jereo ny toko



2Tantara 23:2
7 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.


I Semeiàsa zanak’i Natanaely mpanoratra, anankiray tamin’ny Levita, no nandatsaka an-tsoratra azy ireo, teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny filohany, teo anatrehan’i Sadôka mpisorona, sy i Akimeleka zanak’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita; amin’ny filokana maka fianakaviana iray avy amin’i Eleazara, dia iray avy amin’i Itamara.


Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Azariasa, i Jahiela, i Zakariasa, i Azariasa, i Mikaela, ary i Safatiasa; zanak’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà avokoa ireo.


Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; hahery an’ady izy, eo amin’ny fitsarana.


Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.


Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry;