Nitsoaka tamin’ny fanapahan’i Jodà anefa i Edôma mandrak’androany. I Lobnà koa nitsoaka tamin’ny fanapahany, tamin’izany fotoana izany ihany, noho izy efa nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
2Tantara 21:9 - Baiboly Katolika Dia niainga i Jôrama nomban’ireo lehibe aman-kalesiny rehetra, ka nifoha mbola alina izy, dia nandresy ny Edômita nanodidina azy mbamin’ny lehiben’ny kalesy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niainga i Jehorama sy ireo mpanapaka sy ny kalesy fitondrany miady rehetra; ary nanaovany latsaka alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ny kalesy fitondra miady. DIEM PROTESTANTA Niainga manko i Jôrama sy ireo manamboninahiny ary ny kalesiny rehetra; nony voahodidin’ny Edômita ny tenany mbamin’ireo komandin-kalesiny, dia voatery nitsoaka nanao latsaka alina tamin’ny Edômita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niainga manko i Jôrama sy ireo manamboninahiny ary ny kalesiny rehetra; nony voahodidin’ny Edômita ny tenany mbamin’ireo komandin-kalesiny, dia voatery nitsoaka nanao latsaka alina tamin’ny Edômita. Baiboly Protestanta Malagasy Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanapaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak’alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ny kalesy. Malagasy Bible Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin'ny kalesy. La Bible en Malgache Dia niainga i Jehorama sy ireo mpanapaka sy ny kalesy fitondrany miady rehetra; ary nanaovany latsaka alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ny kalesy fitondra miady. |
Nitsoaka tamin’ny fanapahan’i Jodà anefa i Edôma mandrak’androany. I Lobnà koa nitsoaka tamin’ny fanapahany, tamin’izany fotoana izany ihany, noho izy efa nahafoy an’i Iaveh Andriamanitry ny razany.
Tamin’ny androny niodina tamin’ny fanapahan’i Jodà i Edôma, ka nanangana mpanjaka ho azy.
«Ary rehefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema, dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy,