Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 18:3 - Baiboly Katolika

Izao no nolazain’i Akaba mpanjakan’i Israely, tamin’i Jôsafata, mpanjakan’i Jodà: «Mba hiaraka amiko ho any Ramôta any Galaada va ianao?» Ka hoy ny navalin’i Jôsafata taminy: «Hihatra amiko ny hihatra aminao, ary hanjò ny vahoakako ny hanjò ny vahoakanao, ka hiaraka aminao hanafika azy izahay.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, tamin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka nanontaniany hoe: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka nanontaniany hoe: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely, tamin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va hianao? Dia hoy izy taminy: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, tamin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.

Jereo ny toko



2Tantara 18:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy izy tamin’i Jôsafata: «Mba hiaraka amiko hamely an’i Ramôta any Galaada va ianao?» Ka hoy ny navalin’i Jôsafata tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Hahazo ahy ny hahazo anao, ary hihatra amin’ny oloko ny hihatra amin’ny olonao, ary hihatra amin’ny soavaliko ny hihatra amin’ny soavalinao.»


Ben-Gabera tao Ramôtan’i Galaada; izao no azy: Ny tanàna madinik’i Jaira, zanak’i Manase, any Galaada; ny tany Argoba, any Basàna, misy tanàna lehibe 60, mimanda sy misy hidy varahina;


Niainga nandeha izy, ka nampilaza tamin’i Jôsafata mpanjakan’i Jodà hoe: «Niodina tamiko ny mpanjakan’i Moaba ka mba hiaraka amiko hiady amin’i Moaba va ianao?» Ary hoy ny navalin’i Jôsafata: «Eny handeha aho, fa ny tenako dia toy ny tenanao ihany, ny oloko dia toy ny olonao, ny soavaliko toy ny soavalinao.»


Nony afaka taona vitsivitsy, nidina nankany amin’i Akaba tany Samaria izy, ary i Akaba namono ondry sy omby sesehena ho azy sy ny vahoaka nanaraka azy, sy nitaona azy hiakatra ho any Ramôta any Galaada.


Dia hoy i Jôsafata tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Miangavy anao aho hanontany izay tenin’i Iaveh ankehitriny.»


dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh.


Ry Iaveh ô, tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala Anao, sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra Anao?


Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,