Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy».
2Tantara 14:3 - Baiboly Katolika Nandidy an’i Jodà mba hitady an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, sy hanatanteraka ny lalàna aman-didy izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niteny tamin’ny Joda izy hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ary hankatò ny lalàna sy ny didy. DIEM PROTESTANTA Nomeny baiko ny Jodeanina hitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany sy hankatò ny lalànany sy ny didiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nomeny baiko ny Jodeanina hitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany sy hankatò ny lalànany sy ny didiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nandidy ny Joda hitady an’i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy. Malagasy Bible Ary nandidy ny Joda hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy. La Bible en Malgache Ary niteny tamin’ny Joda izy hitady NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ary hankatò ny lalàna sy ny didy. |
Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy».
Nofoanany ny fitoerana avo, nomontsaniny ny tsangam-bato, nokapainy ny aseraha, notorotoroiny ny menarana varahina nataon’i Môizy; fa hatramin’izay, mbola nandoroan’ny zanak’i Israely zava-manitra teo anatrehany sy nantsoiny hoe i Nohestàna.
nazerany ny tsangam-baton-tsampy, nokapainy ny aserah, ary nofenoiny taolan’olona ny fitoerana nitoerany.
Nesoriny tao an-tranon’i Iaveh ny aserah, navoakany any ivelan’i Jerosalema tany amin’ny lohasahan-driaka Sedrôna dia nodorany tany amin’ny lohasahan-driakan’i Sedrôna, ary nony nataony nanjary vovoka, dia nafafiny teny amin’ny fasan’ny zana-bahoaka izany vovoka izany.
Dia nesoriny ny fitoerana avo sy ny sariolona, teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra, ka dia nandry feizay ny fanjakana teo anatrehany.
Tsy foana anefa ny fitoerana avo teo amin’i Israely, na dia lavorary aza ny fon’i Asà tamin’ny andro niainany rehetra.
Dia naoriny indray ny ôtelin’i Iaveh, ka nanatitra sorom-pihavanana amam-pisaorana teo izy, ary nandidy an’i Jodà hanompo an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Noravana teo anatrehany ny ôtelin’ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an’ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasikotra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin’ny fasan’izay nanatitra sorona taminy,
Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an’ny masoandro; hampifanongoaviko amin’ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian’ny fanahiko amim-paharikorikoana ianareo.
Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasikotra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.
Fa izao no ataovy amin’izy ireo: ravao ny ôteliny, montsàny ny tsangam-batony, kapao ny aserîmany, ary doroy amin’ny afo ny sarin-javatra voasokiny;