Ny sisa tamin’ny zavatra nataon’i Jerôbôama, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.
2Tantara 13:2 - Baiboly Katolika Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanaka vavin’i Oriela, avy any Gabaà. Niady i Abià sy i Jerôbôama. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Mikaia, zanakavavin’i Oriela, avy any Gibea. Ary niady i Abia sy i Jeroboama. DIEM PROTESTANTA ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanakavavin’i Oriela avy any Gibehà. Niady i Abià sy i Jerôbohama. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanakavavin’i Oriela avy any Gibehà. Niady i Abià sy i Jerôbohama. Baiboly Protestanta Malagasy Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin’i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama. Malagasy Bible Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama. La Bible en Malgache Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Mikaia, zanakavavin’i Oriela, avy any Gibea. Ary niady i Abia sy i Jeroboama. |
Ny sisa tamin’ny zavatra nataon’i Jerôbôama, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.
22 taona no andro nanjakan’i Jerôbôama. Dia nody mandry any amin’ny razany izy. Ary i Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
Ary telo taona no nanjakany teo Jerosalema. Maakà, zanaka vavin’i Abesalôma no anaran-dreniny.
Manaraka an’io dia mbola naka an’i Maakà zanaka vavin’i Absalôma izy, ka niteraka an’i Abià, i Etaia, i Zizà ary i Salômita, taminy.
Ny asa nataon-dRôbôama, na ny voalohany na ny farany, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Semaiasa mpaminany, sy ny an’i Adô mpahita, momba ny tetiaram-pirazanana? Niady mandrakariva i Rôbôama sy i Jerôbôama.
Ka i Abià no nanomboka ny ady, nitondra miaramila mpiady mahery, lehilahy voafantina, 400.000; fa lehilahy voafantina 800.000, mpiady mahery, kosa no nalahatr’i Jerôbôama hiady aminy.
i Selà, i Elefa, i Jebosy, dia i Jerosalema izany, i Gabaata ary i Kariata: tanàna 14, sy ny zana-bohiny.
Koa notohizany ny dia, ary efa nilentika ny masoandro no eny akaikin’i Gabaà, izay an’i Benjamina, izy.
Kanjo kosa, inty nisy anti-dahy anankiray nody hariva avy niasa tany an-tsaha; lehilahy avy amin’ny tendrombohitra Efraima izy fa nitoetra tao Gabaà, ary ny mponina ao amin’io fitoerana io dia Benjaminita.
I Saola koa nandeha nody ho any an-tranony, any Gabaà, notronin’olona mahery fo, izay nohetsehin’i Iaveh ny fony. Fa ny olon’i Beliala kosa dia nanao hoe: «Dia iny ve no hamonjy antsika?» sady naneso azy izy no nitondra fanatitra ho azy, nefa tsy nasian’i Saola raharaha akory izany.