Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 12:3 - Baiboly Katolika

Nitondra kalesy 1.200 mpitaingin-tsoavaly 60.000 izy, ary tsy tambo isaina ny vahoaka momba azy avy any Ejipta, dia ny Libianina, ny Sokianina, ny Etiôpianina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nitondra kalesy fitondra miady roanjato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Ejipta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nitondra kalesy 1 200 sy mpitaingin-tsoavaly 60 000 i Sisàka; ary tsy hita isa ny miaramila nanaraka azy avy any Ejipta, dia ny Libianina sy ny Sokita ary ny Etiôpianina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nitondra kalesy 1 200 sy mpitaingin-tsoavaly 60 000 i Sisàka; ary tsy hita isa ny miaramila nanaraka azy avy any Ejipta, dia ny Libianina sy ny Sokita ary ny Etiôpianina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nitondra kalesy fitondra miady roanjato sy arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Ejipta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.

Jereo ny toko



2Tantara 12:3
15 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo vaky nandositra teo anoloan’i Israely ny Sirianina, ka matin’i Davida ny an-kalesy 700, sy an-tsoavaly 40.000 tamin’izy ireo; nasiany koa i Sobàka lehiben’ny tafik’izy ireo, ka maty teo izy.


Fa tao an-tobin’ny Sirianina, dia nampandrenesan’i Iaveh fingodongodon-kalesy, sy fikatrokatro-tsoavaly, ary firodorodo-miaramila betsaka, ka nifampilaza izy ireo nanao hoe: «Injao fa nanamby ny fanjakan’ny Heteanina sy ny mpanjakan’ny Ejiptianina ho tonga hamely antsika ny mpanjakan’i Israely.»


Nenjehin’i Asà sy ny vahoaka nomba azy hatrany Gerara, ka be loatra ny Etiôpianina lavo ka tsy azony nantenaina ny hiarina indray, fa voatorotoro eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’ny tafiny. Babo tsy erany no azon’i Asà sy ny vahoakany.


Fa nivoaka hiady tamin’ireo i Zarà, Etiôpianina, nitondra miaramila 1.000.000 sy kalesy 300, ka nandroso hatrany Maresà.


Dia nivoaka hiady aminy i Asà, ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Sefatà akaikin’i Maresà izy.


Moa ny Etiôpianina sy ny Libianina va tsy mba tafika lehibe, nisy kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly maro be? Nefa noho ianao niankina tamin’i Iaveh dia natolony teo an-tananao ireny.


Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao; ilay Masin’i Israely no mpamonjy anao. Efa nomeko ho avotrao, i Ejipta, ary ho solonao i Etiôpia sy i Sabà.


Ny Etiôpianina, ny Libianina, ny Lidianina, ny hafa firenena isan-karazany, i Koba, sy ny zanaky ny tany vita fanekena, ho lavon-tsabatra miaraka aminy koa.


I Etiôpia no heriny, mbamin’i Ejipta koa, ary be tsy hita isa ireny; i Foty sy ny Libianina no mpanampy anao.


ary roan-jato tapitrisa no isan’ny miaramila an-tsoavaly; fa nahare ny isany aho.


ka nasainy nentina avy tany Harôseta-Gôïma ny kalesiny vy sivin-jato mbamin’ny vahoaka rehetra izay tao aminy, ho ao amin’ny ranon-driaka Sisaona.


fa niakatra izy ireo miaraka amin’ny biby fiompiny sy ny lainy, ka nihahohaho toy ny valala ny fiaviny ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; tonga amin’ny tany izy, mba handrava azy.


Dia nivory hiady amin’i Israely ny Filistinina: telo alina ny kalesiny, enina arivo ny olona an-tsoavaly, ary ny vahoaka tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina. Tonga nitoby teo Makmasy atsinanan’i Bety Avena izy.