ka hoy izy tamin’ireo: «Inona no hevitra omenareo havaly izany vahoaka izany amin’ity teniny hoe: Hamaivano ny jioga nampitondrain-drainao anay!»
2Tantara 10:9 - Baiboly Katolika «Inona no hevitra omenareo havaly ity vahoaka manao amiko hoe: Hamaivano ny jioga nampitondrain-drainao anay?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ahoana kosa no mba hevitra omenareo ka havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nampitondrain’ny rainao anay? DIEM PROTESTANTA ka nanontaniany hoe: –Inona kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niangavy ahy hanamaivana ny zioga nampiantsorohan-draiko azy? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nanontaniany hoe: –Inona kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niangavy ahy hanamaivana ny zioga nampiantsorohan-draiko azy? Baiboly Protestanta Malagasy Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay? Malagasy Bible Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nataon-drainao taminay ? La Bible en Malgache Ahoana kosa no mba hevitra omenareo ka havalintsika ny vahoaka izay niteny tamiko hoe: Hamaivano ny zioga izay nampitondrain’ny rainao anay? |
ka hoy izy tamin’ireo: «Inona no hevitra omenareo havaly izany vahoaka izany amin’ity teniny hoe: Hamaivano ny jioga nampitondrain-drainao anay!»
Ka izao kosa no navalin’ireo tovolahy indray nihira taminy azy: «Izao no lazao amin’ny vahoaka, izay niteny taminao hoe: Irainao nampitondra jioga mavesatra anay, fa ianao kosa dia hamaivano aminay izany! Izao no lazao aminy: Lehibe noho ny valahan’idada ny ankikeliko.
I Rôbôama kosa nila hevitra tamin’ireo zokiolona nanotrona an’i Salômôna rainy, fony fahavelony, ka nanao hoe: «Inona no hevitra omenareo havaly ity vahoaka ity?»
Navelan-dRôbôama anefa ny torohevitra nomen’ny zokiolona azy, fa ny tovolahy indray nihira taminy sy nitoetra teo anatrehany indray no nilany hevitra. Hoy izy tamin’ireo: