Hataoko toy ny vovo-tany, ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao.
2Tantara 1:9 - Baiboly Katolika Koa ankehitriny, Iaveh Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin’i Davida raiko, fa efa nataonao mpanjaka amin’ny vahoaka maro toy ny vovo-tany aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ankehitriny, RY TOMPO Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin’i Davida raiko; fa efa nampanjaka ahy tamin’ny vahoaka marobe tahaka ny vovo-tany Ianao. DIEM PROTESTANTA Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko, satria Ianao no efa nampanjaka ahy tamina vahoaka marobe tahaka ny vovo-tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko, satria Ianao no efa nampanjaka ahy tamina vahoaka marobe tahaka ny vovo-tany. Baiboly Protestanta Malagasy Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin’i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin’ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany. Malagasy Bible Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô. aoka ho tanteraka teninao tamin'i Davida raiko; fa Hianao efa nampanjaka ahy tamin'ny vahoaka maro be tahaka ny vovo-tany. La Bible en Malgache Koa ankehitriny, RY TOMPO Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny teninao tamin’i Davida raiko; fa efa nampanjaka ahy tamin’ny vahoaka marobe tahaka ny vovo-tany Ianao. |
Hataoko toy ny vovo-tany, ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao.
dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao; hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo; ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
Tamin’ny zanako rehetra kosa, - fa nomen’i Iaveh zanaka maro aho, - i Salômôna zanako no nofidiny, mba hampipetraka azy amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Iaveh amin’i Israely.
Iza no mahisa ny vovok’i Jakôba, Na mahisa ny ampahefatr’i Israely? Enga anie ka ho toy ny fahafatin’ny olo-marina ny fahafatiko, Ary hanahaka ny fiafaràny ny fiafaràko!»
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany, ka nahazo tombom-barotra dimy koa.