Dia nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io
2Tantara 1:2 - Baiboly Katolika Ary nisy didy nomen’i Salômôna ho an’i Israely rehetra, dia ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny mpitsara, ny filohany rehetra teo amin’i Israely ary ny loham-pianakaviana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niteny tamin’ny Israely rehetra i Solomona, dia ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato, ny mpitsara ary ny lohan’ny foko rehetra tamin’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana, DIEM PROTESTANTA Novorîn’i Salômôna ny Israelita rehetra, dia ny mpifehy vondro-miaramila sy mpifehy andia-miaramila ary ny mpitsara sy ireo tompon’andraikitra rehetra teo amin’i Israely, izany hoe ireo filoham-pianakaviana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Novorîn’i Salômôna ny Israelita rehetra, dia ny mpifehy vondro-miaramila sy mpifehy andia-miaramila ary ny mpitsara sy ireo tompon’andraikitra rehetra teo amin’i Israely, izany hoe ireo filoham-pianakaviana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Solomona nandidy ny Isiraely rehetra, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato sy ny mpitsara ary ny loham-pirenena rehetra tamin’ny Isiraely, dia ny lohan’ny fianakaviana, Malagasy Bible Ary Solomona nandidy Isiraely rehetra, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpitsara ary loham-pirenena rehetra tamin'ny Isiraely, dia lohan'ny fianakaviana, La Bible en Malgache Ary niteny tamin’ny Israely rehetra i Solomona, dia ny mpifehy arivo, ny mpifehy zato, ny mpitsara ary ny lohan’ny foko rehetra tamin’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana, |
Dia nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io
Ary i Davida niara-nihevitra tamin’ny tomponarivo sy ny tompon-jato ary ny mpifehy rehetra,
Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.
Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely rehetra hampiakatra ny Fiaran’i Iaveh ho ao amin’ny fitoerany, izay efa nomaniny ho azy.
Nisy lohany maromaro kokoa noho ny taranak’i Itamara, ny taranak’i Eleazara, ka dia toy izao no nizarana azy: loham-pianakaviana 16 ny tamin’ny taranak’i Eleazara, ary loham-pianakaviana 8 ny tamin’ny taranak’i Itamara.
Ny zanak’i Israely, araka ny isany avy, loham-pianakaviana, tomponarivo, tompon-jato, manamboninahitra amin’ny fanompoana ny mpanjaka, amin’ny zavatra rehetra momba ny isan-tokony, na ny tonga na ny miainga, isam-bolana, mandritra ny volana rehetra amin’ny taona, 24.000 no isan’ny antokony iray, - dia ireto:
Novorin’i Davida tany Jerosalema avokoa ny lehibe amin’i Israely, dia ny lohan’ny foko, ny lehiben’ny antokony manompo ny mpanjaka, ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny tonian’ny fananana sy ny biby fiompin’ny mpanjaka, sy ny zanany mbamin’ny mpitandrina sy ny olo-mahery, ny miaramila mahery rehetra.
Ary hoy i Davida mpanjaka tamin’ny fiangonana rehetra: «I Salômôna zanako, ilay hany nofidin’Andriamanitra, dia mbola tanora sy osa, ary ny asa hatao dia lehibe, fa tsy lapa ho an’olombelona ity, fa ho an’i Iaveh Andriamanitra.
Ka niara-niakatra tamin’ny fiangonana rehetra i Salômôna ho any amin’ny fitoerana avo any Gabaôna. Fa tao ny trano lay fihaonan’Andriamanitra nataon’i Môizy, mpanompon’i Iaveh, tany an’efitra;
Koa nifoha maraina koa i Ezekiasa mpanjaka, ka namory ny lehiben’ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh.
Nanao fivoriana fakan-kevitra ny amin’ny hankalazana ny Paka amin’ny volana faharoa ny mpanjaka sy ny lehibe mbamin’ny fiangonana rehetra tao Jerosalema;