Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy: «Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao, raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako;
1Timoty 6:8 - Baiboly Katolika koa rehefa manan-kohanina sy hitafiana, dia aoka hianina amin’izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika dia aoka hianina amin’izany. DIEM PROTESTANTA Koa rehefa mba manan-kohanina sy hitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa rehefa mba manan-kohanina sy hitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany. Malagasy Bible Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany. La Bible en Malgache Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika dia aoka hianina amin’izany. |
Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy: «Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao, raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako;
Dia nitso-drano an’i Josefa izy, ka nanao hoe: «Enga anie ka ilay Andriamanitra izay teo anatrehany no nandehanan’i Abrahama sy i Isaaka razako, ilay Andriamanitra izay namelona ahy hatrizay niainako ka mandrak’ankehitriny,
Fa efa nambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, tamin’ny asan’ny tananao rehetra; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity, fa efapolo taona izao no eo aminao i Iaveh Andriamanitrao, tsy nanan-java-mahory ianao na inona na inona.
Tsy dia filan-javatra anefa no ilazako izany, fa efa nianatra ny ho afa-po amin’izay ananako aho,