Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin’ny lalany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
1Timoty 6:5 - Baiboly Katolika fifanoherana tsy misy farany, fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fifandirana lalandava, fanaon’ny olona ratsy saina sady efa nialan’ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoana tombontsoa. DIEM PROTESTANTA ary fifanoherana tsy misy farany eo amin’ny olona efa ratsy saina sady efa tsy mahalala ny hafatra marim-pototra intsony. Heveriny fa ny fivavahana dia atao ho filàn-karena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary fifanoherana tsy misy farany eo amin’ny olona efa ratsy saina sady efa tsy mahalala ny hafatra marim-pototra intsony. Heveriny fa ny fivavahana dia atao ho filàn-karena. Baiboly Protestanta Malagasy fifandirana lalandava, fanaon’ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoan-javatra. Malagasy Bible fifandirana lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra. La Bible en Malgache fifandirana lalandava, fanaon’ny olona ratsy saina sady efa nialan’ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ho fahazoana tombontsoa. |
Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin’ny lalany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
Satria hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe samy manao filàna tsy marina avokoa; hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona samy mamitaka avokoa.
Noho izany, dia homeko ny hafa ny vadiny, ary ny sahany homeko ny tompo hafa; satria hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, samy manao filàna tsy marina avokoa; ary hatramin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpisorona, samy mpamitaka avokoa.
Ary dia mankao aminao izy ireo toy ny fiavin’ny vahoaka be; mipetraka eo anatrehanao ny vahoakanao; mihaino ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany, fa izay ankasitrahin’ny vavany no ataony, ny filan-karena no arahin’ny fony.
«Koa lazao fa tsara ny hazo sy ny voany; na hoe: ratsy ny hazo sy ny voany, satria ny voany no ahafantarana ny hazo.
Dia hoy Izy tamin’ireo: «Efa voasoratra hoe: ‹Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana› fa ianareo kosa manao azy trano fandrian-dompy.»
Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo.
Ary raha ady hevitra no tadiavin’ny sasany, dia tsy mba fombantsika izany, na fomban’ny Eglizin’Andriamanitra.
Mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin’ny namana rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina.
Toy izany koa ny Diakra, dia aoka ho olona maotona, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy tia harena foana,
Fa ireny anganongano foana fanaom-bavy antitra ireny dia lavy; ary mampiasà ny tenanao amin’ny fivavahana.
Satria ny asa ara-batana dia mahasoa kely foana, fa ny fivavahana no mahasoa amin’ny zavatra rehetra, izy no manana ny teny fampanantenana, na amin’ny fiainana ankehitriny, na amin’ny fiainana ho avy.
ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.
Tahaka ny nanoheran’i Janesy sy i Jambresy an’i Môizy no anoheran’ireo koa ny fahamarinana, dia olona ratsy fanahy sy melo-pinoana,
ka tsy maintsy tampenam-bava ireny, fa manakorontana fianakaviana maro, sy mampianatra ny tsy mety mba hilany vola.
Niala tamin’ny lalan’i Balaama zanak’i Bôsôra, izay nankasitraka ny tambin’ny tsy fahamarinana,
Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.
Mila loza ireo, fa tafiditra amin’ny lalan’i Kaina izy, sy tafahitsoky ny tamby amin’ny hadisoan’i Balaama, ary nanary tena amin’ny fikomian’i Kôre.
dia ny havozomamy, zava-manitra, menaka manitra, emboka manitra, divay, diloilo, lafarina tsara indrindra, varimbazaha, biby manompo, ondry, soavaly, kalesy, ary ny tena aman’ain’olona. -
Satria ny firenena rehetra nisotro ny divaim-pahatezerana noho ny fijangajangany; ny mpanjakan’ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpivarotra etỳ an-tany nahazo harena tamin’ny filibàny amin’ny zava-mahafinaritra azy nihoa-pampana.»