Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Timoty 5:15 - Baiboly Katolika

satria efa nisy lasa nivily sahady hanaraka an’i Satana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa efa nivily sahady ny sasany nanaraka an’i Satana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Efa nisy sasantsasany nivily sahady nanaraka an’i Satàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Efa nisy sasantsasany nivily sahady nanaraka an’i Satàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an’i Satana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an'i Satana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa efa nivily sahady ny sasany nanaraka an’i Satana.

Jereo ny toko



1Timoty 5:15
12 Rohy Ifampitohizana  

Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.»


anisan’ireny i Himeneo sy i Aleksandra, izay natolotro an’i Satana, mba hofaizana tsy hiteny ratsy.


Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Asia, isan’ireny i Figèlo sy i Hermôgena.


izay nania tamin’ny marina, ka milaza fa efa vita sahady ny fitsanganan’ny maty, ary mandrava ny finoan’ny sasany.


I Kresensy lasa nankany Galasia, ary i Tito any Dalmasia,


Maro no hanaraka ny fitondran-tena ratsiny, ka avy amin’izy ireo no mety ho voatsiny ny fampianarana ny marina.


Toy izany koa no ataony amin’ny epistolany rehetra izay ilazany ny amin’izany zavatra izany; misy teny saro-pantarina anefa amin’ireny, izay aolan’ny sasany kely fahalalana sy ratsy orina, toy ny ataony amin’ny Soratra hafa koa, ka tonga fahaverezana ho azy.


Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra.


ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.