ka noho izany dia nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny fieritreretako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona.
1Timoty 4:7 - Baiboly Katolika Fa ireny anganongano foana fanaom-bavy antitra ireny dia lavy; ary mampiasà ny tenanao amin’ny fivavahana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny anganongano ratsy fanaon’ny vaviantitra dia aza raisina, fa mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Malagasy Bible Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra. La Bible en Malgache Fa ny anganongano ratsy fanaon’ny vaviantitra dia aza raisina, fa mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. |
ka noho izany dia nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny fieritreretako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona.
na hikatsaka anganongano aman-tetiarana tsy hita lany, izay vao mainka mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny asan’Andriamanitra miorina amin’ny finoana;
sy heveriny tsara fa tsy natao ho an’ny olo-marina izy, fa ho an’ny mpandika sy ny mpanohitra, ny tsy manaja an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy mpivavaka sy ny tsy mpino, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona,
Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny Fanahy, niseho tamin’ny Anjely, notorina tany amin’ny Jentily, ninoana tamin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.
Satria ny asa ara-batana dia mahasoa kely foana, fa ny fivavahana no mahasoa amin’ny zavatra rehetra, izy no manana ny teny fampanantenana, na amin’ny fiainana ankehitriny, na amin’ny fiainana ho avy.
Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
Ry Timote! tano izay napetrako taminao, ary halaviro ny lahateny foana tsy mahasoa, mbamin’ny fanoheran-kevitra avy amin’ny fahaizana mpisandoka anarana,
Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny teny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,
fifanoherana tsy misy farany, fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana, ka manao ny fivavahana ho filan-karena.
Halaviro ireny fibedibedena mandoza ireny, fa mbola handroso ny haratsian’ireny mpanao izany,
Ialao ny ady hevitra adaladala sy tsy misy antony, satria fantatrao ihany fa mahatonga fifandirana ireny.
Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina,
ary manana ny endriky ny fitiavam-bavaka, nefa tsy manana ny heriny: ireny koa halaviro.
dia hanentsin-tadîny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana.
sy tsy hihaino izay anganongano foanan’ny Jody, na ny didin’ny olona mihataka amin’ny fahamarinana.
mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona amin’ity fiainana ity manana ny toetr’olona mahalala onony, marina, tia vavaka,
Fa raha ny amin’ny fandinihan-javatra tsy misy heviny kosa, mbamin’ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana, ny ady hevitra foana momba ny Lalàna, dia ialao ireny, fa sady tsy mahasoa no zava-poana.
Fa ny olon-dehibe no sahaza ny ventin-kanina, dia ireo efa zatra nampiasa ny sainy hanavaka ny tsara sy ny ratsy.