ka notanterahiny tokoa izany; i Barnabe sy i Saoly no nampitondrainy izany fanampiana izany ho any amin’ny Pretra.
1Timoty 4:14 - Baiboly Katolika Aza atao an-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza atao tsirambina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tanan’ny loholona. DIEM PROTESTANTA Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr’Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr’Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona. Baiboly Protestanta Malagasy Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan’ny loholona. Malagasy Bible Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona. La Bible en Malgache Aza atao tsirambina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tanan’ny loholona. |
ka notanterahiny tokoa izany; i Barnabe sy i Saoly no nampitondrainy izany fanampiana izany ho any amin’ny Pretra.
Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy, vao nandefa azy handeha.
ary rehefa nametrahan’i Paoly tanana indray, dia nidinan’ny Fanahy Masina, ka niteny fiteny samihafa sady naminany;
Ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona rehetra no vavolombeloko; fa nandray taratasy tamin’izy ireo ho an’ny rahalahy aho, dia nankany Damasy hamatotra sy hitondra izay hita tao ho atỳ Jerosalema mba hampijaliana.
Narosony teo anatrehan’ny Apôstôly izy ireo, ka nametrahany tanana nony efa vita ny fivavahana.
Izany àry no didy omeko anao, ry Timote zanako, araka ny faminaniana maro ny aminao taloha, mba ho araka izany ny hiadianao ny ady tsara,
Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao.
Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,
Aza malaky mametra-tanana amin’iza na iza, ary aza miombona ota amin’olona, fa tahirizo madio ny tenanao.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
Noho izany, mananatra anao aho mba hamelombelona indray ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ao anatinao, izay noraisinao tamin’ny fametrahako tanana taminao.