Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no hanananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy;
1Timoty 4:13 - Baiboly Katolika Mandra-piaviko, milozoha amin’ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mandra-pahatongako dia tandremo ny famakian-teny sy ny fananarana ary ny fampianarana. DIEM PROTESTANTA Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina sy mampirisika ary mampianatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina sy mampirisika ary mampianatra. Baiboly Protestanta Malagasy Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. Malagasy Bible Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. La Bible en Malgache Mandra-pahatongako dia tandremo ny famakian-teny sy ny fananarana ary ny fampianarana. |
Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no hanananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy;
Tsara toe-panahy kokoa ry zareo tao noho ny tany Tesalonika, satria sady nandray ny teny tamin-jotom-po lehibe izy ireo no nandinika ny Soratra Masina isan’andro, mba hahitany raha mifanaraka amin’izay ampianarina azy na tsia.
itsy kosa ny fanomezana hananatra, dia aoka izy hananatra; ny iray mizara, ka aoka hanao izany amim-pahatsorana; ny iray kosa mifehy, ka aoka hanefa izany amim-pahazotoana, ary ny hafa koa manao asa fiantrana, dia aoka hanatanteraka izany an-kafaliana.
Hatao ahoana àry, ry kristianina havana? Raha miangona ianareo, ka samy manana ny azy: ny sasany, hira; ny sasany, fampianarana; ao ny manana fanambaràna, ao ny manana fiteny tsy fantatra, ary misy manana fandikàn-teny: dia aoka hatao fampandrosoana ny namana ny zavatra rehetra.
Ary izay maminany kosa, dia miteny amin’ny olona ka mahasoa ny fanahiny, mankahery azy, ary manala alahelo azy.
Hevero ange, ry kristianina havana: raha mankany aminareo aho, ka fiteny tsy fantatra no itenenako, fa tsy fanambaràna, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana no itenenako aminareo, inona no soa ho vitako aminareo?
Ho eny aminy sy hovakiny amin’ny andro rehetra iainany izany, mba hianarany hatahotra an’i Iaveh Andriamaniny sy hitandrina ny teny rehetra amin’izao lalàna izao sy izao fitsipika rehetra izao, amin’ny fanarahana azy,
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ary mahareta tsara amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
Izany no ampianaro ny havana iray finoana, dia ho mpandraharaha tsaran’i Kristy Jesoa ianao, mivelona amin’ny teny finoana mbamin’ny fampianarana tsara efa narahinao.
sady hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala Soratra Masina, izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa.
mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva,
Izany no tsy maintsy hotorìnao sy hamporisihanao ary hananaranao amim-pahefana lehibe. Aza avela hisy olona maneso anao.
Aoka tsy ho afaka am-bavanao ny bokin’ity lalàna ity, fa hosaintsaininao andro aman’alina sady hotandremanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra ao, fa amin’izany dia hiadana amin’ny lalanao rehetra sy hahomby tsara ianao.