Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Petera 5:13 - Baiboly Katolika

Manao veloma anareo ny Eglizin’i Babilôna, voafidy toa anareo, sy i Marka zanako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay any Babilona, voafidy sahala aminareo, dia manao veloma anareo, ary i Marka zanako koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Manao veloma anareo ilay Fiangonana rahavavy eto Babilôna, ilay Fiangonana voafidin’Andriamanitra miaraka amin’ny anareo. Manao veloma anareo koa i Marka zanako.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Manao veloma anareo ilay Fiangonana rahavavy eto Babilôna, ilay Fiangonana voafidin’Andriamanitra miaraka amin’ny anareo. Manao veloma anareo koa i Marka zanako.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay any Babilona, voafidy sahala aminareo, dia manao veloma anareo, ary i Marka zanako koa.

Jereo ny toko



1Petera 5:13
11 Rohy Ifampitohizana  

Amin’ireo mahalala ahy hotononiko i Rahaba sy i Babilôna; indreo koa ny Filistinina sy i Tira mbamin’i Etiôpia: tao ireo no teraka.


Dia nieritreritra kely izy aloha vao nankany an-tranon’i Maria renin’i Joany, izay atao hoe Marka; olona maro no tafavory nivavaka tao.


Nony vita ny raharahan’i Barnabe sy i Saoly tao Jerosalema, dia niverina tany Antiôkia izy, ary nitondra an’i Joany izay atao hoe Marka hiaraka aminy.


Ary i Barnabe moa nikasa hitondra an’i Joany, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.


Dia nifanditra mafy izy roa lahy, hany ka tafasaraka terỳ: i Barnabe moa nitondra an’i Marka, dia niondrana an-tsambo hankany Sipra izy roa lahy.


Manao veloma anareo i Aristarka, mpiara-mifatotra amiko, sy i Marka, zanak’anabavin’i Barnabe (efa nahazo didy ny amin’izany ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo).


sy i Marka, sy i Aristarka sy i Demasy, ary i Lioka, izay mpiara-miasa amiko.


Izaho anti-dahy, mamangy an’Itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako araka ny marina - ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa, -


Manao veloma anao ny zanaky ny rahavavinao voafidy.


Nisy anarana, dia anarana miafin-kevitra voasoratra teo an-kandriny, nanao hoe: «Babilôna lehibe, Renin’ny fijangajangana sy ny zava-betaveta amin’ny tany.»


Niantso tamin’ny feo mahery izy, nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fitoeran’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona maloto halan’ny olona rehetra!