Ary amin’izany izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
1Jaona 4:15 - Baiboly Katolika Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra. DIEM PROTESTANTA Na iza na iza manaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao anatiny Andriamanitra ary izy ao anatin’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Na iza na iza manaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao anatiny Andriamanitra ary izy ao anatin’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra. Malagasy Bible Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra. La Bible en Malgache Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra. |
Ary amin’izany izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
Ary lazaiko aminareo koa fa na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona dia hoeken’ny Zanak’olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra;
Dia hoy i Filipo: «Raha mino amin’ny fonao manontolo ianao, dia azo atao ihany izany.» Ary namaly izy nanao hoe: «Mino aho fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra.»
Ka raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo, sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona, dia ho voavonjy ianao.
ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
Izay rehetra mandà ny Zanaka, dia tsy manana ny Ray koa; fa izay manaiky ny Zanaka ihany no manana ny Ray.
Koa aoka hitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany. Fa raha mitoetra ao anatinareo izay renareo hatramin’ny voalohany, dia mitoetra ao amin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo.
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika.
Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika.
Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy.
Izao no ahafantarana ny fanahy avy amin’Andriamanitra: ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga nofo i Jesoa Kristy dia avy amin’Andriamanitra.
Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia nateraka avy amin’Andriamanitra; ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa.
Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao, izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy; ireny no mpamitaka sy antikristy.