dia nitsangana teo am-pihinanana Izy: napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famaohana ka nisikinany;
1Jaona 3:11 - Baiboly Katolika Satria araka ny teny azo sy renareo hatramin’ny voalohany dia tsy maintsy mifankatia isika, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: Tsy maintsy mifankatia isika; DIEM PROTESTANTA Izao manko no hafatra efa renareo hatramin’ny voalohany: aoka isika hifankatia! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao manko no hafatra efa renareo hatramin’ny voalohany: aoka isika hifankatia! Baiboly Protestanta Malagasy Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika,– Malagasy Bible Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin'ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika,- La Bible en Malgache Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ny voalohany: Tsy maintsy mifankatia isika; |
dia nitsangana teo am-pihinanana Izy: napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famaohana ka nisikinany;
Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika.
Ny amin’ny fifankatiavan’ny mpiray tam-po amin’ny finoana, dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo, satria tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia,
Ny antony kendrena amin’izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin’ny fo madio sy kônsiansy tsara ary finoana tsy misy famahony;
Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin’izany, hanaraka ny fitiavana marina ny havana iray finoana, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;
Farany, miraisa saina ianareo rehetra, miombòna alahelo, mifankatiava toy ny mpiray tam-po, mifamindrà fo, manetre tena.
Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, fa ny fitiavana manarona fahotana maro.
Izao no teny renay taminy, sy ambaranay aminareo: Andriamanitra dia fahazavana, ary tsy misy haizina akory ao aminy.
Ry malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tokony mba hifankatia koa isika.
Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny namany koa.
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Ary ankehitriny mihanta aminao aho, Tompokovavy, - tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany - aoka hifankatia isika.