Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 9:26 - Baiboly Katolika

Fa izy efa-dahy lohan’ny mpiandry varavarana, izay Levita, dia teo amin’ny raharahany hatrany, sady mbola nitandrina ny efitrano sy ny rakitra tao an-tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa niasa tamin’ny fahatokiany ireo levita efa-dahy, lehiben’ny mpiandry varavarana, ireo; ary tonian’ireo efitrano sy ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra koa izy ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Toetra mahatoky manko no nananan’ireo efa-dahy filohan’ny mpiandry vavahady ireo sady levita rahateo izy, ka niadidy ny efitrano fitahirizana mbamin’ny rakitry ny tempoly;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toetra mahatoky manko no nananan’ireo efa-dahy filohan’ny mpiandry vavahady ireo sady levita rahateo izy, ka niadidy ny efitrano fitahirizana mbamin’ny rakitry ny tempoly;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa nanao tamin’ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan’ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian’ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon’Andriamanitra koa izy ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa nanao tamin'ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan'ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian'ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon'Andriamanitra koa izy ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa niasa tamin’ny fahatokiany ireo levita efa-dahy, lehiben’ny mpiandry varavarana, ireo; ary tonian’ireo efitrano sy ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’Andriamanitra koa izy ireo.

Jereo ny toko



1Tantara 9:26
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia niainga izy ireo, ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna, ary izao no filazàna nataony: «Nitsofoka tany an-tobin’ny Sirianina izahay, ka indro tsy misy olona, na feon’olona akory, fa soavaly mifatotra, ampondra mifatotra, ary lay amin’ny toetra nananganana azy no hany ao.»


Ny rahalahin’izy ireo, izay nonina tany amin’ny vohiny, dia tsy maintsy mankeo aminy indraindray, ka maharitra herinandro eo.


Nitoetra teo amin’ny manodidina ny tranon’Andriamanitra izay nambenany izy, ka tsy maintsy tandremany ny hamohana azy isa-maraina.


efa namboatra ho an’io, efitrano anankiray lehibe, nitahirizana talohan’izany ny fanatitra, ny emboka, ny fanaka, ny ampahafolon’ny vary, divay vaovao, diloilo, ny hetra ho an’ny Levita, ny mpiandry varavarana, ary izay natokana ho an’ny mpisorona.


Mandehana ianao mankany amin’ny fianakavian’i Rekabita, ka mitenena aminy. Ento ho ao an-tranon’i Iaveh amin’ny efitrano anankiray izy ireo, ka tolory divay hosotroiny.


Dia nentiny aho, ho eo amin’ny kianja ivelany; ary teo dia nisy efitrano sy lampivato voavoatra manodidina ny kianja ary nisy efitrano 30 manaraka ny lampivato.