Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 9:13 - Baiboly Katolika

ary ny rahalahin’izy ireo, izay loham-pianakaviany avy, dia nisy lehilahy mahery 1.760 mba hanatanteraka ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny rahalahin’ireo, izay samy loham-pianakaviany avy, dia enimpolo sy fitonjato sy arivo; lehilahy mahery amin’ny fanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra ireo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ireo mbamin’ny mpisorona havany, izay samy lohan’ny fianakaviany avy, dia nisy 1 760: lehilahy mahery teo amin’ny fanaovana fanompoana tao an-tranon’Andriamanitra izy rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo mbamin’ny mpisorona havany, izay samy lohan’ny fianakaviany avy, dia nisy 1 760: lehilahy mahery teo amin’ny fanaovana fanompoana tao an-tranon’Andriamanitra izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny rahalahin’ireo, izay samy lohan’ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin’ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny rahalahin'ireo, izay samy lohan'ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin'ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny rahalahin’ireo, izay samy loham-pianakaviany avy, dia enimpolo sy fitonjato sy arivo; lehilahy mahery amin’ny fanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra ireo.

Jereo ny toko



1Tantara 9:13
6 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny Hebrônita, dia i Hasabiasa mbamin’ireo rahalahiny samy lehilahy mahery fo, 1.700 no isany, no nifehy an’i Israely teny an-dafin’i Jordany any andrefana, amin’ny raharaha rehetra momba an’i Iaveh sy ny fanompoana ny mpanjaka.


mbamin’ny rahalahiny, lehilahy maherin’ny 1.700, samy loham-pianakaviana. Ary notendren’i Davida mpanjaka izy ireo hifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase, amin’ny raharahan’Andriamanitra rehetra sy ny raharahan’ny mpanjaka.


I Semeiàsa zanany lahy niteraka zazalahy, izay samy tonga filohany tamin’ny fianakavian-drainy, fa lehilahy mahery fo izy ireo.


i Adaiasa zanak’i Jerôhama zanak’i Fasora zanak’i Melkiasa; i Maasaì zanak’i Adiela zanak’i Jezrà zanak’i Mosolama zanak’i Mosolamita zanak’i Emera;


Ny tamin’ny Levita: i Semeià zanak’i Hasoba zanak’i Ezrikama zanak’i Hasebià, tamin’ny taranak’i Merarì;


mbamin’ny rahalahin’ireo, samy lehilahy mahery: 128. I Zabdiela zanak’i Hagdolima no mpifehy azy ireo.