Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 7:2 - Baiboly Katolika

Zanaka lahin’i Tolà: i Ozia, i Rafaia, i Jeriela, i Jemaia, i Jebsema, ary i Samoela, samy lohan’ny fokom-pianakaviany izay avy amin’i Tolà, lehilahy mahery, voasoratra araka ny taranany tamin’i andron’i Davida, 22.600 no isany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny zanakalahin’i Tola dia i Ozy, i Refaia, i Jeriela, i Jamay, i Jibsama ary i Samoela, samy loham-pianakavian’i Tola ary samy lehilahy mahery tamin’ny fianakaviany avy ireo; eninjato sy roa arivo sy roa alina no isany tamin’ny andron’i Davida.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny zanakalahin’i Tôlà dia i Hozỳ sy i Refaià, i Jeriela sy i Jahimay ary i Jibsama sy i Samoela izay samy lohan’ireo fianakaviana nipoitra avy tamin’i Tôlà sady samy lehilahy mahery teo anatrehan’ny taranany. Tamin’ny andron’i Davida, dia 22 600 no isan’ny terak’i Tôlà.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny zanakalahin’i Tôlà dia i Hozỳ sy i Refaià, i Jeriela sy i Jahimay ary i Jibsama sy i Samoela izay samy lohan’ireo fianakaviana nipoitra avy tamin’i Tôlà sady samy lehilahy mahery teo anatrehan’ny taranany. Tamin’ny andron’i Davida, dia 22 600 no isan’ny terak’i Tôlà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny zanakalahin’i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan’ny fianakaviany avy, dia zanak’i Tola sady samy lehilahy mahery tamin’ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin’ny andron’i Davida.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny zanakalahin'i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan'ny fianakaviany avy, dia zanak'i Tola sady samy lehilahy mahery tamin'ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin'ny andron'i Davida.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny zanakalahin’i Tola dia i Ozy, i Refaia, i Jeriela, i Jamay, i Jibsama ary i Samoela, samy loham-pianakavian’i Tola ary samy lehilahy mahery tamin’ny fianakaviany avy ireo; eninjato sy roa arivo sy roa alina no isany tamin’ny andron’i Davida.

Jereo ny toko



1Tantara 7:2
5 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanak’i Israely, araka ny isany avy, loham-pianakaviana, tomponarivo, tompon-jato, manamboninahitra amin’ny fanompoana ny mpanjaka, amin’ny zavatra rehetra momba ny isan-tokony, na ny tonga na ny miainga, isam-bolana, mandritra ny volana rehetra amin’ny taona, 24.000 no isan’ny antokony iray, - dia ireto:


Zanaka lahin’i Isakara: i Tolà, i Foà, i Josoba ary i Simerôna: efatra izy.