Dia ireto no nanao ny raharaha, mbamin’ny zanany avy: Amin’ny zanaka lahin’ny Kaatita: i Hemàna mpihira, zanak’i Joela zanak’i Samoela
1Tantara 6:61 - Baiboly Katolika avy amin’ny fokon’i Neftalì: i Kedesa, any Galilea mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Hamôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, ary i Kariataima mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia i Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy; i Hamona sy ny tany manodidina azy; i Kiriataima sy ny tany manodidina azy. DIEM PROTESTANTA nisy avy tamin’ny fokon’i Naftalỳ: dia i Kedesa any Galilea sy i Hamôsa ary i Kiriataîma mbamin’ny kijàna samy manodidina azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara nisy avy tamin’ny fokon’i Naftalỳ: dia i Kedesa any Galilea sy i Hamôsa ary i Kiriataîma mbamin’ny kijàna samy manodidina azy. Baiboly Protestanta Malagasy ary ny avy tamin’ny firenen’i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy ary Hamona sy ny tany manodidina azy ary Kiriataima sy ny tany manodidina azy. Malagasy Bible ary ny avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy ary Hamona sy ny tany manodidina azy ary Kiriataima sy ny tany manodidina azy. La Bible en Malgache ny avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia i Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy; i Hamona sy ny tany manodidina azy; i Kiriataima sy ny tany manodidina azy. |
Dia ireto no nanao ny raharaha, mbamin’ny zanany avy: Amin’ny zanaka lahin’ny Kaatita: i Hemàna mpihira, zanak’i Joela zanak’i Samoela
Ny Levita rahalahin’izy ireo, dia niandraikitra ny fanompoana rehetra amin’ny tabernakla ao an-tranon’i Iaveh.
i Hokàka, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Rohoba, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
Ny nomena ny Levita sisa taranak’i Merarỳ: avy amin’ny fokon’i Zabolôna: i Rimôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy,