1Tantara 6:53 - Baiboly Katolika i Jekmaama, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Betôrôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Jokmeama sy ny tany manodidina azy; i Bety-Horona sy ny tany manodidina azy; Baiboly Protestanta Malagasy ary Jokmeama sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy Malagasy Bible ary Jokmeama sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy La Bible en Malgache i Jokmeama sy ny tany manodidina azy; i Bety-Horona sy ny tany manodidina azy; |
I Sadôka zanak’i Akitoba sy i Akimeleka, zanak’i Abiatara, no mpisorona; i Saraiasa no mpanoratra;
Samy tsy nasainy anefa na izaho mpanomponao na i Sadôka mpisorona, na i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, na i Salômôna mpanomponao.
Rehefa mby any, i Sadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany dia hanosotra azy ho mpanjaka amin’i Israely, ary ianareo hitsoka anjomara sy hilaza hoe: Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!
Tsy mba nety nikambana tamin’i Adoniasa kosa i Sadôka mpisorona, i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, i Natàna mpaminany, i Semeià, i Reia, mbamin’ny lehilahy maherin’i Davida.
I Banaiasa zanak’i Jôiadasa no nataon’ny mpanjaka filohan’ny tafika, ho solony, ary i Sadôka no nataon’ny mpanjaka mpisorona, ho solon’i Abiatara.
i Banaiasa zanak’i Jôiadasa no komandin’ny tafika; i Sadôka sy i Abiatara no mpisorona.
I Davida, i Sadôka taranak’i Eleazara, sy i Akimeleka taranak’i Itamara, dia nizarazara ny taranak’i Aarôna ho antokotokony arakaraka ny fanompoany.
ka izao no nomena azy ireo: i Sikema, tanàna fialofana, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraima, i Gazera, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
i Helona mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy: i Gety-Remôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy,
Fa ireo Levita mpisorona, taranak’i Sadôka kosa, izay nitandrina ny fandaharana momba ny fitoerako masina tamin’ny nivilian’ny zanak’i Israely nanalavitra Ahy, dia izay ireo no hanatona Ahy hanao ny fanompoana amiko, sy hitsangana eo anatrehako, hanatitra ny sabora sy ny ra, - teny marin’ny Tompo Iaveh.
Ary hanangana mpisorona mahatoky Aho, izay hanao araka ny foko sy ny fanahiko ary hanorenako trano mafy orina izy, ary handeha eo anatrehan’ny voahosotro mandrakizay.