1Tantara 6:32 - Baiboly Katolika zanak’i Moholỳ zanak’i Mosỳ zanak’i Merarỳ zanak’i Levỳ. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 zanakalahin’i Maly, zanakalahin’i Mosy, zanakalahin’i Merary, zanakalahin’i Levy. DIEM PROTESTANTA sy zafiafin’i Mahilỳ sy zafin-dohalik’i Mosỳ sy zafin-kitrokelin’i Merarỳ ary zafim-paladian’i Levỳ. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sy zafiafin’i Mahilỳ sy zafin-dohalik’i Mosỳ sy zafin-kitrokelin’i Merarỳ ary zafim-paladian’i Levỳ. Baiboly Protestanta Malagasy zanakalahin’i Maly, zanakalahin’i Mosy, zanakalahin’i Merary, zanakalahin’i Levy. Malagasy Bible zanakalahin'i Maly, zanakalahin'i Mosy, zanakalahin'i Merary, zanakalahin'i Levy. La Bible en Malgache zanakalahin’i Maly, zanakalahin’i Mosy, zanakalahin’i Merary, zanakalahin’i Levy. |
Ny Levita rahalahin’izy ireo, dia niandraikitra ny fanompoana rehetra amin’ny tabernakla ao an-tranon’i Iaveh.
Ireo no mpihira, lohan’ny fianakavian’ny Levita nitoetra tamin’ny efitrano, afaka tamin’ny raharaha hafa, satria tsy maintsy eo amin’ny raharahany andro aman’alina.
Naorin’i Ezekiasa ny fizarazaràn’ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, - ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, - hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin’ny tobin’i Iaveh.
Ny mpihira, taranak’i Asafa, nitoetra teo amin’ny fitoerany, araka ny didin’i Davida sy i Asafa, ary i Hemàna sy i Iditona, mpahitan’ny mpanjaka; ny mpiandry varavarana kosa samy teo amin’ny isam-bavahady avy, fa tsy nanan-javatra hoherikerehina afa-tsy ny raharahany ihany, satria ny Levita rahalahiny efa namboatra ny Paka ho azy.
Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny Levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Môizy.
Teo ivelan’ny vavahady anatiny, nisy ny efitranon’ny mpihira, teo amin’ny kianja anatiny: ny iray teo anilan’ny vavahady avaratra mitodika mianatsimo ny anoloany, ny iray teo anilan’ny vavahady atsinanana mitodika mianavaratra.