Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 6:3 - Baiboly Katolika

Zanaka lahin’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna ary i Oziela.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama sy i Jitsehara ary i Hebrôna sy i Hoziela.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny zanakalahin’i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny zanakalahin’i Kehata dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela.

Jereo ny toko



1Tantara 6:3
18 Rohy Ifampitohizana  

tamin’ny taranak’i Oziela: i Aminadaba lehibe sy ny rahalahiny, 112.


Zanaka lahin’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna, ary i Oziela, efatra izy.


Zanaka lahin’i Amrama: i Aarôna sy i Môizy. Ary i Aarôna natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin’ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan’i Iaveh, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin’ny Anarany mandrakizay.


tamin’ny Isaarita i Salemôta, tamin’ny taranak’i Salemôta i Jahata.


Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Gersôma: Lobnì sy Semeià.


Zanaka lahin’i Merarì: i Moholì sy i Mosì. Izao no fianakavian’i Levì isan-drainy avy:


Nandray langoroany tapaka i Maria, mpaminany vavy, anabavin’i Aarôna, ary nitondra langoroany nanaraka azy koa ny vehivavy rehetra, dia nandihy.


Ary ny anabavin’ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny, mba hahita izay hihatra aminy.


Tamin’izay kosa ny anabavin’ity zaza dia niteny tamin’ny zanakavavin’i Faraôna nanao hoe: «Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza amin’ny vehivavy Hebrio hampinono io zanany io?»


Ary hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amin’i Iaveh ianao sy i Aarôna, i Nadaba sy i Abiò, ary loholona fitopolo amin’i Israely, ka mbola lavitra dia miankohofa.


«Asaovy manatona anao i Aarôna rahalahinao, mbamin’ny zanany, ao amin’ny zanak’i Israely, mba ho mpisorona amin’ny fanompoana Ahy, dia i Aarôna, i Nadaba, i Abiò, i Eleazara, ary i Amôra, zanak’i Aarôna.


I Amrama naka an’i Jôkadeba anabavin-drainy ho vadiny; ka io no niteraka an’i Aarôna sy i Môizy taminy. Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Amrama.


I Aarôna naka an’i Elisabeta, zanaka vavin’i Aminadaba, anabavin’i Naasôna, ho vadiny, ka io no niteraka taminy an’i Nabada, i Abina, i Eleazara ary i Itamara.


Ary i Nadaba sy i Abiò, zanak’i Aarôna, samy naka ny fanembohany avy dia nanisy afo tao anatiny, sy nametraka zava-manitra teo amboniny, dia nitondra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh, nefa tsy nahazo didy momba izany izy.


Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy tamin’ireo zanak’i Aarôna, roa lahy sisa, i Eleazara sy i Itamara: «Alao ny fanatitra sisa avy amin’ny sorona natao tamin’ny afo ho an’i Iaveh, ka hano tsy misy lalivay, eo akaikin’ny ôtely, fa zava-masina dia masina izany.


Ary hoy i Môizy nanadina ny amin’ny osy lahy natao sorona noho ny ota, ka indro efa voadotra izany; ka tezitra tamin’i Eleazara sy i Itamara hany sisa zanaka lahin’i Aarôna izy, sy nanao tamin’izy ireo hoe:


Fa nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta Aho, ary nanavotra anao tamin’ny trano nahandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an’i Môizy sy i Aarôna ary i Maria.