Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 29:6 - Baiboly Katolika

Dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo ny loham-pianakaviana, ny loham-pokon’i Israely, ny tomponarivo, ny tompon-jato ary ny tonian-draharahan’ny mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan’ny fianakaviana sy ny lehiben’ny fokon’ny Israely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny mpitandrina ny raharahan’ny mpanjaka

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’zay, dia samy nanolotra fanomezana an-tsitrapo avokoa ny lohan-pianakaviana, ny filohan’ireo fokon’i Israely, ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, mbamin’ny mpiandraiki-draharahan’ny mpanjaka

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’zay, dia samy nanolotra fanomezana an-tsitrapo avokoa ny lohan-pianakaviana, ny filohan’ireo fokon’i Israely, ny komandin-tafika mpifehy arivo sy mpifehy zato, mbamin’ny mpiandraiki-draharahan’ny mpanjaka

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan’ny fianakaviana sy ny lehiben’ny firenen’Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny mpitandrina ny raharahan’ny mpanjaka

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan'ny fianakaviana sy ny lehiben'ny firenen'Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin'ny mpitandrina ny raharahan'ny mpanjaka

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan’ny fianakaviana sy ny lehiben’ny fokon’ny Israely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny mpitandrina ny raharahan’ny mpanjaka

Jereo ny toko



1Tantara 29:6
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Jôasa tamin’ny mpisorona: «Ny volan’ny fitoerana masina rehetra izay aterin’ny olona ao an-tranon’i Iaveh dia ny vola fandoan’ny isan’olona, ny vola avotry ny olona araka ny fanombanana azy avy, ary ny vola rehetra aterin’ny olona samy araka ny fahazotoany avy, ao an-tranon’i Iaveh,


I Asmota zanak’i Adiela no tonian’ny rakitry ny mpanjaka, i Jonatàna zanak’i Oziasa no amin’ny rakitra, na an-tsaha na an-tanàna, na amin’ny zana-bohitra na amin’ny tilikambo;


Novorin’i Davida tany Jerosalema avokoa ny lehibe amin’i Israely, dia ny lohan’ny foko, ny lehiben’ny antokony manompo ny mpanjaka, ny tomponarivo, ny tompon-jato, ny tonian’ny fananana sy ny biby fiompin’ny mpanjaka, sy ny zanany mbamin’ny mpitandrina sy ny olo-mahery, ny miaramila mahery rehetra.


ny volamena hanaovana fanaka volamena, ny volafotsy hanaovana fanaka volafotsy, mbamin’izay asa samihafa rehetra hataon’ny tanan’ny mpanao taozavatra. Iza àry no mba mazoto hanome fanatitra an-tsitrapo koa anio, ho an’i Iaveh?»


Ny lehibe nanolotra fanomezana an-tsitrapo ho an’ny vahoaka sy ny mpisorona ary ny Levita. I Helkiasa, i Zakariasa ary i Jahiela, filohany ao an-tranon’i Iaveh, nanome zanak’ondry 2.600 sy omby 300, ho an’ny mpisorona, hanaovana ny Paka.


mbamin’ny volamena amana volafotsy rehetra mety ho azonao eran’ny faritanin’i Babilôna ary koa ny fanomezana an-tsitrapo avy amin’ny vahoaka sy ny mpisorona, izay atolony an-tsitrapo ho an’ny tranon’Andriamaniny any Jerosalema.


Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.