Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.
1Tantara 29:16 - Baiboly Katolika Ry Iaveh Andriamanitray ô, izao harena rehetra novononinay hanaovan-trano ho Anao, ho an’ny Anaranao masina izao, dia ny tananao no iaviany, Anao ny zavatra rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ry TOMPO Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an’ny anaranao masina ireto dia avy tamin’ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra. DIEM PROTESTANTA Ry TOMPO Andriamanitray ô, ireo harena rehetra novononinay ireo, hanorenana tempoly ho Anao mba hanajana Anao ilay Masina, dia avy taminao; ary Anao rahateo izy rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry TOMPO Andriamanitray ô, ireo harena rehetra novononinay ireo, hanorenana tempoly ho Anao mba hanajana Anao ilay Masina, dia avy taminao; ary Anao rahateo izy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an’ny Anaranao masina ireto dia avy tamin’ny tànanao, ary Anao rahateo izy rehetra. Malagasy Bible Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an'ny anaranao masina ireto dia avy tamin'ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra. La Bible en Malgache Ry TOMPO Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an’ny anaranao masina ireto dia avy tamin’ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra. |
Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.
Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina.
Fantatro, ry Andriamanitra ô, fa mandinika ny fo Ianao, ary tia ny hitsim-po, ka an-tsitrapo no nanaovako izao fanatitra rehetra izao amin’ny fahitsian’ny foko; ary amin-kafaliana koa ankehitriny no ahitako ny vahoakako etoana, samy manolotra an-tsitrapo ny fanatiny ho Anao.
Ka hoy i Azariasa mpisorona lehibe taranak’i Sadôka namaly azy: «Hatramin’ny niandohan’ny nanateran’ny olona ny fanomezana voaavaka ao an-tranon’i Iaveh, dia nihinana sy nanao voky ihany izahay, nefa mbola be koa ny tsy laninay, fa nambinin’i Iaveh ny vahoakany, ka he izato habetsahan’ny sisa tsy lany.»
Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy.
Noho izany, indro Aho hanampina ny lalanao amin’ny tsilo; hanangana tamboho aho, ka tsy hahita ny lalany intsony izy.