Izao no anaran’ny lehilahy mahery izay eo amin’i Davida: i Jesboama zanak’i Hakamonì, no filohan’ny manamboninahitra. Nampandihy ny lefony tamin’ny olona 800 lahy, izay nataony maty tamin’ny indray mandeha monja, izy.
1Tantara 27:2 - Baiboly Katolika I Jerôbôama zanak’i Zabdiela, no lohan’ny antokony voalohany ho amin’ny volana voalohany, 24.000 no isan’ny antokony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny nifehy ny antoko voalohany, ho amin’ny volana voalohany, dia i Jasobeama, zanak’i Zabdiela; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. DIEM PROTESTANTA ka ireto avy no mpibaiko azy: Volana voalohany: I Jasôbehama, zanakalahin’i Zabdiela sady isan’ny taranak’i Peretsa; filohan’ireo mpifehy miaramila rehetra izy amin’ny volana voalohany. Volana faharoa: i Dôday, avy any Ahôa; ilay komandy atao hoe Miklôta no manampy azy. Volana fahatelo: i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà mpisorombe. Lehilahy mahery anisan’ireo «Telopolo lahy» i Benaià; ary rehefa nanjary mpitarika ny «Telopolo lahy» izy, dia i Hamizabada zanany lahy no mpibaiko ny antokon-tafika. Volana fahefatra: i Hasahela, rahalahin’i Jôaba; ary dia i Zebadià zanany lahy kosa tatỳ aoriana. Volana fahenina: i Hirà, zanakalahin’i Hikesy, avy any Tekôa. Volana fahafito: i Heletsa, avy any Peleta, isan’ny taranak’i Efraîma. Volana fahavalo: i Sibekay, avy any Hosà, isan’ny taranak’i Zera. Volana fahasivy: i Abihezera, avy any Hanatôta, isan’ny taranak’i Benjamîna. Volana fahafolo: i Maharay, avy any Netôfa, isan’ny taranak’i Zera. Volana faha-11: i Benaià, avy any Pirehatôna, isan’ny taranak’i Efraîma. Volana faha-12: i Helday, avy any Netôfà, isan’ny taranak’i Hôtniela. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka ireto avy no mpibaiko azy: Volana voalohany: I Jasôbehama, zanakalahin’i Zabdiela sady isan’ny taranak’i Peretsa; filohan’ireo mpifehy miaramila rehetra izy amin’ny volana voalohany. Volana faharoa: i Dôday, avy any Ahôa; ilay komandy atao hoe Miklôta no manampy azy. Volana fahatelo: i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà mpisorombe. Lehilahy mahery anisan’ireo «Telopolo lahy» i Benaià; ary rehefa nanjary mpitarika ny «Telopolo lahy» izy, dia i Hamizabada zanany lahy no mpibaiko ny antokon-tafika. Volana fahefatra: i Hasahela, rahalahin’i Jôaba; ary dia i Zebadià zanany lahy kosa tatỳ aoriana. Volana fahenina: i Hirà, zanakalahin’i Hikesy, avy any Tekôa. Volana fahafito: i Heletsa, avy any Peleta, isan’ny taranak’i Efraîma. Volana fahavalo: i Sibekay, avy any Hosà, isan’ny taranak’i Zera. Volana fahasivy: i Abihezera, avy any Hanatôta, isan’ny taranak’i Benjamîna. Volana fahafolo: i Maharay, avy any Netôfa, isan’ny taranak’i Zera. Volana faha-11: i Benaià, avy any Pirehatôna, isan’ny taranak’i Efraîma. Volana faha-12: i Helday, avy any Netôfà, isan’ny taranak’i Hôtniela. Baiboly Protestanta Malagasy Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin’ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak’i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina; Malagasy Bible Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin'ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak'i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina; La Bible en Malgache Ny nifehy ny antoko voalohany, ho amin’ny volana voalohany, dia i Jasobeama, zanak’i Zabdiela; ny antokony dia efatra arivo sy roa alina. |
Izao no anaran’ny lehilahy mahery izay eo amin’i Davida: i Jesboama zanak’i Hakamonì, no filohan’ny manamboninahitra. Nampandihy ny lefony tamin’ny olona 800 lahy, izay nataony maty tamin’ny indray mandeha monja, izy.
Dia izao no isan’ny lehilahy mahery tao amin’i Davida: i Jesbôama, zanak’i Hakamonì, lehiben’ny Telopolo lahy: izy no nampandihy ny lefony tamin’ny olona telon-jato lahy, izay novonoiny tamin’ny indray mandeha monja.
Ny zanak’i Israely, araka ny isany avy, loham-pianakaviana, tomponarivo, tompon-jato, manamboninahitra amin’ny fanompoana ny mpanjaka, amin’ny zavatra rehetra momba ny isan-tokony, na ny tonga na ny miainga, isam-bolana, mandritra ny volana rehetra amin’ny taona, 24.000 no isan’ny antokony iray, - dia ireto:
Isan-taranak’i Faresa izy, ary nifehy ny lehibe rehetra isan-tokony, amin’ny volana voalohany.